Songadim-baovao

VELIRANON’IARIVO SY « FONDATION AXIAN »: Hatsangana ireo toeram-panaovana fanatanjahan-tena isam-pokontany

Anisany fampanantenan’ny Ben’ny tanàna, Andriantsitohaina Naina tamin’ny veliranon’Iarivo ny hananganana toeram-panaovana fanatanjahan-tena isam-pokontany eto Antananarivo Renivohitra. Hatomboka etsy Anosibe Angarangarana izany, izay ahitana toerana fanaovana fanatanjahan-tena samihafa, miaraka amina toeram-pitsaboana eo akaikiny Ny « Fondation Axian » no mpiara-miombon’antoka amin’izany, raha ny fantatra.

Anisany tetikasa lehibe sy goavana anatin’ny vinan’ny Ben’ny tanàna ny fananganana ireo toeram-panaovana fanatanjahan-tena isam-pokontany ity. Hatomboka amin’ny eny Anosibe Angarangarana izany, ary hipaka amina toerana samihafa, eto an-dRenivohitra. Hahitana kianja telo ity tetikasa ity, dia kianja filalaovana baolina kitra, volley sy basikety. Haharitra iray volana sy tapany ka hatramin’ny roa volana eo ny asa, raha ny nambaran’ny Talen’ny fanatanjahan-tena eo anivon’ny Kaominina, Rakoto Andriambalo Jalal Benjamin. Fiantomboham-piaraha-miasa eo amin’ny fananganan fotodrafitrasa hanabeazana ara-batan’ny mponina sy ny tanora eto an-dRenivohitra, ity hatomboka ity. Tanjona amin’izany kosa, ny hananan’ny mponina fahasalamana avy amina fanatanjahan-tena ampy isaky ny boriborintany sy fokontany manana toerana malalaka afaka hanatanterahana izany. Eo ihany ny famatsiam-bolan’ny Fondation Axian, sy izay mpiara-miombon’antoka ho avy hanampy ny Kaominina amin’ny teti-bola efa voafaritra ho amin’izany, fa anjaran’ity farany kosa, ny mitady ireo toerana malalaka hahafahana manangana azy io, raha ny nambaran’ny Ben’ny tanàna, Andriantsitohaina Naina. Azon’ny isam-pokontany atao koa ny manatona avy hatrany raha misy toerana efa afaka hanatanterahana ny kianja. Faharoa amin’ity tetikasa ity koa, ny hananganana ireo « Parcours santé » isak’ireo zaridaina fipetrapetrahana rehetra misy eto, toy ny fanaovana « musculation, barre fixe » sy ny sisa.

Hisy fampiofanana hanazatra ireo mpitia fanatanjahan-tena

Fa ankoatra izay, hisy koa fampiofanana ireo mpanazatra ara-panatanjahan-tena eny anivon’ny Fokontany sy ny Boriborintany rehetra. Efa vita sonia io raha ny fantatra, ary efa nisy ny andiany nivoaka miisa 35, teo aloha. Izy ireo dia avy amin’ny fokontany isanisany hatrany, saingy hiverina hanofana ireo mpampiofana isam-pokontany indray, hanofana ireo tanora hiroso amin’ny fanatanjahantena, raha ny fanampim-panazavana. Hisy koa ny fanofanana mpitsara lalao baolina kitra, izay haverina hitsara ireo lalao hokarakaraina eny anivon’ny Fokontany sy ny Boriborintany. Ny fanofanana io dia mitondra ny tanora ho mpanentana eny anivon’ny fokontany. Hiverina kosa ny kitram-pokontany, raha ny nambaran’ny Tale fanatanjahan-tena. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra, fa tokony hisy fananganana fikambanana mpanao fanatanjahan-tena isam-pokontany, hanamora ny fahatanterahan’ity tetikasa ity.

Fermer