Non classé

« Vente en ligne » : Manampy betsaka ny olona anaty fihibohana

« Miantso ny laharana… na mandefasa MP… 2.000 Ar…. 5.000 Ar ny saran’ny fanaterana… » ! Efa taona vitsivitsy izay nisiany teto amintsika, saingy nahazo vahana be tao anatin’ity « Hamehana ara-pahasalamana » ity. Izany hoe, tao anatin’ny dimy volana tena nampiroborobo azy io. Anatin’ireo ny asa sokajiana ho ara-dalàna sy tsy ara-dalàna (Formel/informel) izany eto amintsika, satria misy ireo orinasa lehibe efa manana pejy amin’ny tambajotran-tserasera ka mampiasa izany amin’ny varotra amin’izao fotoan’ny fihibohana izao. Misy koa ireo tranom-pivarotana akanjo sy kojakoja isan-karazany izay efa nanao izany ihany teo aloha, saingy vao mainka nohamafisina tamin’izao vanim-potoana izao. Eo koa anefa ireo vao niforona noho ny famoronana varotra anatin’izao tsy fisian’ny asa izao. Ireto farany izay mifototra amin’ny varotra sakafo, finday, akanjo, kiraro, sns..
Mamorona asa, misy sarany, nefa tsy maimaimpoana
Mamorona asa ity varotra anaty tambajotran-tserasera ity amin’ny ankapobeny. Maro ny tsy an’asa, na nitsahatra tsy niasa mihitsy, tsy misy vola miditra intsony ka tsy maintsy miketrika ny loha mba ahazoana vola. «Nitsiry ny hevitra, maninona moa raha mivarotra amin’ny alalan’ny Facebook ? Atao isan-karazany ny entana amidy, toy ny sakafo, akanjo sns », hoy Linda raha nizara ny asa ataony. « Namorona anarana pejy, misafidy sary mifanaraka amin’ny entana amidy, ary aparitaka amin’ny namana, ary ifampizarana izany. Tany am-boalohany, ny fametrahana « j’aime » no maro, kanefa rehefa naparitaka foana izany, nanomboka nisy nanontany ary nisy ny « commande » isan’andro », hoy i Linda.
Manomboka eo, misy ny vola atontona amin’ny asa fa tsy hoe maimaimpoana akory. Mampiasa vola amin’ny fanangonana ny entana. Raha akanjo sy kojakoja izao, mitady mpamatsy izany, mety ho Sinoa mety ho Malagasy ihany koa. Raha sakafo kosa, ny fiantsenana ny entana ilaina amin’ny fanomanana. Rehefa vory izany rehetra izany, karohina indray ny fanaterana ny entana na ny « livraison ». « Raha izahay ato an-trano ihany, ka manana môtô dia mifandamina amin’ny fanaterana izany. Misy ny sarany miovaova, arakaraka ny halavitry ny toerana », hoy ny fanazavany. Misy koa anefa, raha ny fanazavan’ny tompona varotra amin’ny tambajotran-tserasera nanatitra entana teo Analakely sy Antaninarenina fa mandeha an-tongotra avy any Itaosy ny mpanatitra entany (livreur). «Sahirana izahay, tsy manana môtô, na mahavita manakarama olona manana môtô amin’izao tsy fisian’ny taxi-be izao, ka tovolahy matanjaka no karamaina manao izany asa fanaterana izany », hoy Ramatoa Tiana. .

Mampiasa vola koa anatin’ny fandraharahana
Raha manakarama olona manana môtô ny tompona varotra amin’ny tambajotra an-tserasera iray, manodidina ny 20.000 Ar isan’andro izany, kanefa miovaova araka ny halaviran’ny toerana. Izany hoe, mila mahalafo entana maromaro, mba tsy hamono antoka. Eo koa ny saran’ny « connexion » satria mila mandeha tsy ankijanona ny finday amin’ny famaliana ny « hafatra miafina », ny antso, sns. Mandany sarana « connexion » manodidina ny 10.000 Ar isan’andro eo, raha tsy miditra amin’ny antsoina hoe « illimitée ».
Araka izany, tsy olona iray fa fianakaviana maromaro mihitsy no indray velomin’ny varotra amin’ny tambajotran-tserasera. Mahazo tombontsoa hatramin’ny orinasa lehibe, raha tsy hilaza afa-tsy ny tambajotra an-telefaonina, ny mpivarotra solika, sns. Azo heverina fa asa tsy hijanona intsony izy io fa mety vao mainka aza hiroborobo na vita aza ny « Hamehana ara-pahasalamana » sy ny fihibohana. Indrindra moa fa hitombo ny fahaizana sy ny fifehezana ny asa, ary hita ny tombontsoa azo avy aminy, na ho an’ireo orinasa lehibe, salantsalany, toeram-pivarotana, na ireo fianakaviana tsotra mivelona aminy. Sehatra iray tokony hojeren’ny fanjakana izy ity, satria sady mampidi-bola ho an’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny hetra mivantana na ankolaka, no manampy ny tsy an’asa ihany koa amin’ny famoronana asa. Inona no tolo-tanana azon’ny Fanjakana atao ?

Tags
Fermer