Mbola noresahina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra omaly ny mahakasika ny vidim-bary eto amintsika. Tapaka nandritra izany, fa ferana ho 79 000Ar ny gonim-bary manerana an’I Madagasikara eny amin’ireo mpanafatra vary. Efa nifanaikena tamin’ireto farany izany, hoy ny tatitra, ka tokony ho amin’io vidiny io no handefasana ny gonim-bary eny anivon’ny tsena ankehitriny. “Misy 500 000t ny vary nafarantsika miaraka amin’ireo mpandraharaha malagasy amin’ity taona ity ary ampy tsara izany ho an’ny filan’ny mponina hiatrehana ny maintso ahitra”, hoy hatrany ny fanampim-panazavana.
Etsy ankilany, nanambara ihany koa ny Fanjakana fa tsy hiakatra ny vidin’ny menaka sy ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, araka ny fifanekena tamin’ireo orinasa mpamokatra sy ireo orinasa mpanafatra izany. Tsy tokony hisy, noho izany, fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena mandritra izao fety izao, indrindra ireo sakafo ilaina andavanandro. Eo anatrehan’izany, iharan’ny sazy avy hatrany izay minia mampiakatra vidin’entana amin’izao vanim-potoana izao.
Fepetra ho an’ny “Kaly Tsinjo”
Anisany voadinika nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly ihany koa ny mahakasika ny fitsinjarana ny tohana ara-tsakafo “Kaly Tsinjo”. Araka izany, tapaka fa ireo mpivarotra hanimasaka eny anivon’ny Fokontany no hahandro sy hitsinjara ny “Kaly Tsinjo”. Tsy maintsy hisy, noho izany, ny fiarahamiasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ireo Kaominina ary ireo tomponandraikitra isan-tokony mahakasika izany. Fepetra vaovao noraisin’ny Fanjakana kosa anefa ny fandraisana anjara 100ar isan’olona ho an’ireo misakafo isaky ny fizarana sakafo atoandro. Hisy lamina manokana ho fanatanterahana izany ary mialohan’ny fankalazana ny Noely no atomboka izany mandritra ny fe-potoana tsy voafetra, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra omaly hatrany. Manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny Sabotsy ny hetsika, ary hisy karazan-tsakafo hiova isanandro mandritra io elanelam-potoana io. Mazava ho azy, hisy famantarana manokana ireo toerana hitsinjara ny “Kaly Tsinjo”.




