Songadim-baovaoSosialy
VIDIM-PANAFODY ARA-DRARINY: Hatao peta-drindrina eny amin’ny farmasia manomboka ny zoma izao
Araka ny toromarika navoakan’ny Filohan’ny Repoblika ny alahady lasa teo, amin’ny tokony hametrahana ny mangarahara sy ara-drariny amin’ny vidin’ny fanafody eto Madagasikara, manoloana ihany koa ny fitarainana voarain’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny momba ny vidina fanafody eny amin’ny toerana fivarotam-panafody ara-dalana tato ho ato sy ny fisian’ny fanararaotana hita amin’ireo sehatra tsy manara-drafitra samihafa, dia efa nandray andraikitra ny Governemanta, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana. Ireto farany izay efa niara-nidinika amin’ireo mpisehatra rehetra nanomboka ny alatsinainy teo. Isan’izany ny Holafitry ny farmasianina, ny mpanafatra, ny mpamongady, ny farmasiana ary ny sendika. Tapaka tamin’izany ny tokony ahafantaran’ny besinimaro ny vidiny ara-drariny ka manomboka ny zoma izao dia hisy peta-drindrina isaky ny farmasia mampiseho ireo vidim-panafody ara-drariny rehetra hitsaboana ny aretina Coronavirus ary ny Holafitry ny farmasianina no mandrindra izany.
Marihina fa ireo fanafody Lovenox, Azithromycine, Uvimag, Magné B6, Revitalose ary ny Vitamines C no voakasik’izany fepetra izany. Arak’izany ho fanatanterahina ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, hipetraka manerana ireo fivarotam-panafody ara-dalana rehetra eto Antananarivo manomboka ny zoma izao ireo vidim-panafody ara-drariny amin’ny alalan’ny peta-drindrina ary hotanterahina isan-kerinandro tsy tapaka ny famoahana sy ny fanavaozana izany vidim-panafody izany izay iandraiketan’ny Holafitry ny farmasianina (ONP). ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra ireo kosa dia hotanterahin’ny Ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana.
Vidian’ny Fanjakana mivantana ireo fitaovana ilaina amin’ny ady amin’ny Covid-19
Nivoitra nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly fa mba hahafahana mamatsy ara-pitaovana ara-dalàna ireo toerana fandraisana marary sy toeram-pitsaboana isan-tokony dia nomena alalana ny fividianan’ny Fanjakana mivantana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny ady amin’ny Covid-19 any amin’ireo mpamokatra izany, na any ivelany ion a eto an-toerana. Izany no natao dia mba hisian’ny fitantanana mahitsy, madio ary mangarahara, tsy hisy mpanelanelana intsony na fakàna tombony mihoapampana fa tonga dia ireo tena mpamokatra sy mpisehatra amin’ilay asa no hisian’ny fifampiraharahana, araka ny fanazavana.



