Songadim-baovaoSosialyToekarena
VIDIN-TSOLIKA: Amin’ny volana jona vao mety hisy ny fampiakarana
Tsy azo ihodivirana ny fampiakarana ny vidin-tsolika, hoy ny Filoham-pirenena ny alatsinainy teo, raha niresaka mahakasika ny fiakaram-bidin-tsolika maneran-tany izy noho ny ady eo amin’ny Okraina sy Rosia. Efa nampiomana sahady ny mpanjifa, araka izany, ny Filoha momba izany. Nilaza ny teo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra fa mbola afaka iray volana, raha aloha indrindra, vao hisy io fampiakarana vidin-tsolika io.
Misy fiantraikany lehibe amin’ny vidin’ny solika maneran-tany ny ady misy ao Okraina. Firenena maro eran’izao tontolo izao no efa miaina ao anatin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika ankehitriny. Hatreto, mbola voatazona ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Ny fahefa-mividin’ny tsirairay kosa anefa, etsy ankilany, miha mihena noho ny krizy nalevan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Omaly, nilaza ny Minisitra misahana ny Angovo, fa tsy maintsy nandoa ny elanelam-bidy eo amin’ireo mpamongady ny Fanjakana mba nisorohana ny fiakaran’ny vidin-tsolika, nanomboka ny volana jona 2019. Izany hoe, nanomboka tamin’io daty io dia tsy nisy fisondrotana mihitsy ny vidin-tsolika teto Madagasikara. Ankehitriny, tsy maintsy hiditra amin’ny fampiakarana ny vidin-tsolika ny Fanjakana noho ny vesatra izay zakaina amin’izao fotoana, eo anatrehan’ny vidin-tsolika maneran-tany izay midangana. Tsy mbola ato ho ato anefa izany, fa mbola any amin’ny volana Jona, raha aloha indrindra, hoy ny Minisitra, ary any amin’ny volana Aogositra raha taraiky indrindra.
Fepetra horaisin’ny Fanjakana
Tsy maintsy misy fepetra horaisin’ny Fanjakana miaraka amin’izany fampiakarana vidin-tsolika izany mba tsy hisy fiantraikany mafy amin’ireo mpanjifa, hoy hatrany ny Minisitra. Tsy ho zakan-tsika, raha ny tahan’ny fiakarana maneran-tany no ampiharina eto. Izany hoe, tsy maintsy fampiakarana zakan’ny mpanjifa no ho apetraka, fa ny Fanjakana no miezaka hatrany mandoa ny elanelam-bidy any amin’ny mpamongady. Nanamafy ny Minisitra tomponandraikitra fa hatreto dia mbola ny Fanjakana Malagasy hatrany no mametra ny vidin’ny solika eny anivon’ny mpamongady.
Raha tsiahivina, isan’ny fanapahan-kevitra nampiarahan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ity fampiakarana ny vidin-tsolika ity, ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana mba hifandanja amin’ny vidim-piainana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano. Hisy ihany koa ny fifampiresahana amin’ny vondron’ny sehatra tsy miankina mba hijerena miaraka ny vahaolana mba hisitraka izany fiakaran’ny karama izany koa ireo mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny Fanjakana.



