Songadim-baovaoToekarena

VIDIN-TSOLIKA MANERAN-TANY: Nahitana fiakarany, mety hisy fiantraikany amin’ny vidiny eto an-toerana

Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny Solika, indrindra mialohan’ny valanaretina Covid-19, nandritra ny valanaretina, sy ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, ny teo anivon’ny OMH omaly. Nivoitra nandritra izany fa misy fiakarany be ny vidin’ny solika eo amin’ny sehatra iraisampirenena ankehitriny, ary efa hita ny fiantraikany eto amintsika, saingy tsy mbola nirosoana ny fampiakarana ny vidiny eto an-toerana.

Tsikaritra ho niakatra ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisampirenena tato ho ato. Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny OMH, Jean Baptiste Olivier dia antony nahatonga ny fiakarana ny fahitana ireo vaksiny ka nampiverina tsikelikely ny toekarena any amin’ireo Firenena goavana. “Matoky ny olona amin’ny fisian’ny Vaksiny ka manomboka mitombo ny tinady”, hoy izy.

Etsy ankilany, ny mpamokatra dia mbola manao famerana sy kajikajy amin’ny famokarana ataony, fa tsy manao famokarana 100%, indrindra ireo ao amin’ny OPEP. Ity farany izay hivondronan’ireo Firenena mpamokatra solika. Ireo vondrona ireo no mamokatra ny 70% ny vokatra maneran-tany, araka ny fanazavana. Araka izany, mbola misy fahasamihafana kely ny eo amin’ny tolotra sy ny tinady amin’ny zavatra mitranga ankehitriny eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Misy fiantraikany amintsika eto Madagasikara anefa izany tranga izany. Tsara ho fantatra fa mbola saika hafarana daholo ny 100%-n’ny solika jifain’ny Malagasy. Dikany, miankina tanteraka amin’ny zava-misy iraisampirenena ny zava-misy eto amintsika fa tsy mbola mahaleo tena tanteraka. Noho izany, rehefa hatao ny kajikajy, dia efa mihoatra amin’ireny vidiny eny amin’ny paompy ireny ny vidiny tokony ho izy eto amintsika. Tsiahivina fa io vidiny eny amin’ny paompy amin’izao fotoana io dia efa nihatra nanomboka tamin’ny volana Jona 2019. Nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao dia tsy nanetsika vidin-tsolika intsony isika, araka ny fanazavana.

Tsy nampidina tamin’ny taon-dasa

Nanomboka ny volana Aprily teo no niseho ny elanelana eo amin’ny vidin-tsolika eny amin’ny paompy sy ny vidiny voakajy tokony ho izy, kanefa tsy mbola nisy fikitihana ny vidiny nandritra ny Aprily, Mey, ary Jona. Raha ny fanazavana dia efa tafiakatra 200 ariary isaky ny litatra io elanelana io. Tsara tsindriana anefa, fa tsy miankina amin’ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) irery ny famerana ny vidin-tsolika eto amintsika fa hiarahana amin’ny Fanjakana sy ireo mpanapa-kevitra rehetra. Misy antony maro rahateo mila dinihana, isan’izany ny lafiny toekarena izay vao avy nandalo krizy.

Tsiahivina fa tamin’ny herintaona dia nisy ny fidinan’ny vidin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisampirenena, saingy isika teto Madagasikara dia nisafidy ny tsy hampidina ny vidiny noho ny fisian’ny fatiantoka izay nananan’ny mpandraharaha ara-tsolika tamin’ny Fanjakana ny taona 2019. Tamin’ireny fotoana ireny dia ambany ny vidin’ny Solika teny amin’ny paompy raha mitaha amin’ny vidiny tokony ho izy. Raha ny fijerin’ny teknisianina avy eo anivon’ny OMH dia miverina amin’ny taha-panjifana tamin’ny 2019 isika izao, ka mampiakatra ny tinady, tsy eto an-toerana ihany fa maneran-tany.

Fermer