SamihafaSongadim-baovaoSosialy

VINAN’NY METY HO TOETRY NY ANDRO: Ho maloka sy an-drivotra ny andro anio sy rahampitso

Namoaka ny vinan’ny mety ho toetry ny andro anio sy rahampitso 01 Janoary ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro (météo) tamin’ity herinandro ity. Nisongadina tao anatin’izany ny fisian’ny tsiokan’ny Alizay na ny Varatraza izay hahatonga ny andro ho maloka sy an-drivotra, saika manerana ny Nosy.

Antoka iray mahalavorary ny fety ny toetrandro. Rehefa ankatoky ny fety tahaka izao, zava-dehibe ho an’ny mpikarakara lanonana rehetra ny mahafantatra mialoha izay mety ho toetry ny andro amin’ny fotoan’ny fety mba hahafahana manomana ny fandaminana rehetra tokony ho atao hahatontosa amin’ny antsakany sy andavany ny fety. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, noho izany, tsy ahiana ny hisiana tranga mihoa-papana anio sy rahampitso, ary ho maloka sy an-drivotra ny toetrandro manerana ny Nosy amin’ny ankapobeny. Ho an’ny anio alina manokana, hisitraka rotsakorana ny Faritra Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana fa hiendrika tandrifindrahona arahin-kotroka izany indraindray. Vinavinaina ny hisiana oram-baratra ny alina manodidina ny morontsiraka avaratra andrefana. Handrahona na handrahona vitsy ny any atsimo atsinanana sy ny faritry ny afovoan-tany. Tsy ahitana toetry ny andro misongadina ny amin’ny faritra hafa.

Ho an’ny rahampitso

Ho an’ny andron’ny taom-baovao rahampitso kosa indray, ny maraina dia hisy sisan’orana tandrifindrahona ny morontsiraky Melaky, Menabe ary Nosy be. Hanorana na hanorana haka endrika tandrifindrahona ny any amin’ny Faritra Sava, Analanjirofo sy Atsinanana. Handrahona mety arahina erika manify indraindray any Alaotra Mangoro sy ny ilany atsinanan’i Sofia. Holalovan-drahona any Atsimo atsinanana. Handrahona vitsy na ho maina ny andro amin’ny faritra sisa. Ho an’ny tolakandro, ny takariva ary ny alina, ho saron-drahona ny lanitra amin’ny Faritra maro. Mety arahina orana na orana tandrifindrahona izany amin’ny faritra SAVA, ANALANJIROFO ary ATSINANANA. Hiverina indray ny oram-baratra any Bongolava, Itasy ary any avaratra andrefan’ny Nosy. Hanorana tandrifindrahona mitsitokotoko any Vakinankaratra ary hihitatra hahazo ny faritra Analamanga izany ny alina. Ho maina ny andro amin’ny faritra sisa.

Nisy ny refy nalaina amin’ny fahalotoan’ny rivotra teo Ampandrianomby, Andraharo sy Soanierana, Ambohidahy, nataon’ny Météo malagasy. Raha ny vinavina hatramin’ny rahampitso dia hijanona ho antonony ihany ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny ankapobeny. Saingy manodidina an’Ambohidahy, noho ny loto ateraky ny fivezivezen’ny fiara, dia hijanona ho ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ka ny olona marefo no tokony hitandrina. Tsiahivina fa ny ankizy, ny olona efa nahazo taona, ny vehivavy bevohoka sy ireo olona manana aretina amin’ny taovam-pisefoana no sokajiana ho olona marefo amin’ny fahalotoan’ny rivotra.
Fermer