Songadim-baovaoToekarena

VITA NY 99%-N’NY “CENTRALE SOLAIRE” AO AMBILOBE : Mponina miisa 3 750 hisitraka herinaratra manomboka amin’ity volana jolay ity

Andalana ankehitriny ny fampisitrahana herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina ho an’ireo mponina any amin’iny faritr’Ambilobe iny. Vita hatramin’ny 99% ny asa fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny alalan’ny masoandro any an-toerana. Fampiarahana amin’ny alalan’ny “centrale termique” no apetraka ka tombanana eo amin’ny 60% ny fahavitan’ny asa manontolo. Izao teknika izao dia natao mba hiala tsikelikely amin’ny fampiasana solika izay sady mandany vola betsaka no manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana noho ny fofona aterany.

Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa, efa tonga any Ambilobe amin’izao fotoana ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa izay manana tanjaka 800KW ny iray. Asa atao manaraka ny fametrahana ny tariby mampifandray ireo milina ireo amin’ny tobim-pamokarana herinaratra. Rehefa atao izany ny kajikajy, hanana tanjaka 1MWc ny toby famokarana heronaratra azo avy amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, ary 2.400 KW kosa ny ho azo avy amin’ny «centrale thermique». Ireo famokarana rehetra ireo mitambatra no ahafahana mamatsy mponina hatramin’ny 3 750 isa any Ambilobe. Nanambara ihany koa ireo tompon’andraikitra fa ezahina ao anatin’ny fotoana fohy ny fampandehanana azy ireo. Aorian’ny fahatomombanana ara-teknika rehetra, hirosoana izany dingan’ny fampandehanana izany. Vinavinaina ny 24 jolay ho avy izao farafahatarany no atao izay fampihodinana ny toby mpamokatra herinaratra any an-toerana izay.

Sarobidy Sidonie.

Fermer