SamihafaSongadim-baovaoSosialy
VOAFONJA AO ANTANIMORA : Tanora tsy ampy taona miisa 18 sy vehivavy 30 isa nahazo fiofanana
Isany antom-pisian’ny fonja, ankoatran’ny maha toeram-pigadrana azy, ny famolavolana ireo voafonja ho afaka hiverina indray eny anivon’ny fiarahamonina, ary hahatonga azy ireo ho olom-banona. Mifandrimbona tanteraka amin’ny fahatrarana izany tanjona izany ny fiarahamiasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa, niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Fitsarana izay mpiahy ny fandraharahana ny fonja eto amintsika, tamin’ny fanomezana fanofanana ireo voafonja teo anivon’ny Fonjaben’Antanimora. Araka izany, nanomboka tamin’ny 08 Desambra teo ny fanofanana ireo tanora lehilahy tsy ampy taona miisa 18, sy vehivavy miisa 30 tao Antanimora. Araka ny fanazavan’ny Talen’ny Fanofanana Arak’asa eo anivon’ny Minisitera, fiofanana mahakasika ny fampivoarana ny maha olona no natao. Ary mbola hitohy amin’ny tena fanofanana arak’asa, arakaraka izay sehatrasa mahaliana ireo mpiofana tsirairay avy izany, amin’ny fotoana manaraka. Ity tomponandraikitra ity izay nanamafy fa santatra ihany iny vita iny fa hiitatra amin’ny fonja hafa manerana ny Nosy ny fampiofanana.
Ivon-toeram-piofanana hapetraka isaky ny Fonja
Nandritra ny fandraisam-pitenenany omaly, nilaza ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa misy ny vina fametrahana ivon-toeram-piofanana isaky ny fonja manerana an’I Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ary ny tetibolam-panjakana 2021 dia efa nanokana sorabola ho an’izany ka vina ny hahavita ivon-toerana efatra amin’ny taona ho avy. Ny Fonjan’I Toamasina kosa no efa misy izany ankehitriny, ary efa mandray fiofanana ireo voafonja. Notsiahivin’ity tomponandraikitra ity fa tany amin’ny taona 1976 dia efa ireo voafonja no nanjaitra ny akanjon’ireo mpandraharahan’ny fonja teto Madagasikara. Tsy mijanona amin’izany ihany anefa fa betsaka ireo tonga dia nahita asa avy hatrany taorian’ny nivoahany ny Fonja. Tetsy ankilany, nanamafy ny maha zava-dehibe io fampiofanana ny voafonja io ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Ity farany izay nilaza fa endriky ny firaisankinan’ny Governemanta ny fiarahamiasa teo amin’ny Minisitera roa tonta. Marihana fa notontosaina omaly ny fanolorana ny « Attestation de fin de formation » ho an’ireo mpiofana, tetsy Antanimora.



