PolitikaSongadim-baovao
VOASARINGOTRA TAMINA RAHARAHA KOLIKOLY : Olona 174 naiditra am-ponja ny taona 2024
Nanatanteraka ny tatitry ny asa vita ho an'ny taona 2024 mahakasika ny ady amin'ny kolikoly ny teo anivon'ny Birao mahaleotena iadiana amin'ny Kolikoly na ny Bianco. Nisongadina tao anatin'izany ny fitomboan'ny tarehimarika amin'ireo raharaha nanaovana fanadihadiana sy ny olona naiditra am-ponja.
Nahitana fitomboany ireo vokatra azo tamin’ny taona 2024 noho ny tamin’ny taona 2023, raha ny navoitran’ny Tale Jeneralin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco), andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor, omaly. Tao amin’ny fanadihadiana dia niisa 598 ireo trangana kolikoly voamarina, izay nahitana fisondrotana 7,5% raha mitaha tamin’ny taona 2023, 174 ireo famonjana vonjimaika, izay nisy fitomboany 83,16%. Nisongadina tao anatin’ny tatitra koa fa 2 688 ireo fitarainana voaray, ka ny 1322 no azo nanaovana fanadihadiana, izany hoe 49,18%. 1950 kosa ny fanadihadiana vita ka olona 680 no nosamborina ary 174 notanana am-ponja vonjimaika, araka ny voalaza. 973 ny fanadihadiana nahafapo, ka ny 598 nanaovana fitanana an-tsoratra. Raha ny fanambaram-pananana kosa dia olona 5 417 no nanao izany raha toa ka olona 12 341 no voakasik’izany.
Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina?
Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Bianco omaly tao anatin’ny tatitra fa ny amin’ny sehatry ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (23.41%) no mbola haharaisana fitarainana be indrindra hatramin’izao, manaraka azy ny fananantany (14.21%), ny Fanabeazana (13.71%), ny Zandarimariam-pirenena (7.86), ny Fitantanana ny lafin-tany (7.86%) ary ny Fitsarana (6.02%)
Etsy ankilany anefa, saika ahitana mpanao kolikoly avokoa ny sehatrasa sy ny seha-pihariana rehetra fa ny maro voakasika dia ny olom-boafidy amin’ny vondrom-bahoakam-paritra (223) izay ahitana ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, ny mpiasam-panjakana amin’ny sehatry ny fanabeazana (154), ireo mpiasam-panjakana ambony sokajy A,B,C,D (131) ary ireo mpiasam-panjakana miasa amin’ny fananan-tany (100). Mitotaly 23 796 932 000 Ariary kosa ny totalin’ireo entana sy vola nogiazana.
Tanora 9 400
Araka ny tatitra dia 199 ireo tambazotran’ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana voatsangana ho an’ny taona 2024 ka nahitana tanora 9400 mirotsaka mandray andraikitra amin’ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’izany tambazotra izany. Miisa 6 kosa ireo taranjam-pampianarana momba ny ady amin’ny kolikoly noraisina (ENSP, ENSD, ENIAP, EGNA, ESGN, CNFTF). Etsy ankilany dia mitotaly 3290 ireo mpiasam-panjakana voaentana manokana momba ny ady amin’ny kolikoly ka 107 ireo rafitra mpampita hafatra momba ny ady amin’ny kolikoly voahofana sy nahazo tantsoroka tamin’ny Bianco.
Nisy ihany koa ireo fiaraha-miasa amin’ny any ivelany toy ny fanatrehana ireo fivoriana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanaovana tombanezaka manokana ho an’ny firenentsika momba ny ady amin’ny kolikoly, sy ny sisa…
Vina taona 2025
Mahatratra 1 092 693 000 Ariary ny vola nampiasaina ho amin’ny fampandehanan-draharaha ary maro ireo mpiara-miombon’antoka manohana ny ady amin’ny kolikoly izay nisaoran’ny Tale jeneralin’ny Bianco manokana. Ho an’ny taona 2025 dia asa miandry ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena vaovao (2025-2030) izay mifototra amin’ny sehatra 7 atao laharam-pahamehana na amin’ny lafiny fanabeazana, fisorohana ary fanadihadiana. Eo koa fikirakirana ny fanambaram-pananana manaraka ny Haitao arakajy mirindra, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona miara-miady amin’ny kolikoly sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny any ivelany, ny fanafainganana ny fikirakirana ny fanadihadiana, ny famitana ny fanombanana an’i Madagasikara.
Teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny omaly moa no notontosaina ny tatitry ny asa vita taona 2024 ho an’ny teo anivon’ny Bianco. Nanatrika ny fotoana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika, Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), ny Filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), ary olo-manan-kaja maro.
Nangonin’i LR.




