Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina

VOHILAVA MANANJARY Olona roa ahiana ho matin’ny FVR

Lehilahy iray 50 taona sy vehivavy iray 30 taona samy monina ao amin’ny fokontanin’Ambodiara kaominina Vohilava, distrikan’i Mananjary no maty nisesy ny andron’ny 13 aprily lasa teo. Araka ny tatitra nataon’ny Zandarimariam-pirenena avy amin’ny Vondrontobim-pileovany ao an-toerana, dia naneho ny soritraretin’ny « Fièvre de la Vallée du Rift » (FVR) mpiseho amin’ny olombelona ireto olona nodimandry ireto…

Ny marain’io 13 aprily teo io, nandro teo amin’ny reniranon’Isaka ity lehilahy ity, ka taorian’izay no nivoaka rà ny vava sy orony ary nanao krizy ny tenany. Tsy tapitapitr’izay anefa, dia voalaza fa nindaosin’ny fahafatesana ity farany. « Nambaran’ny Assistant vétérinaire tao an-toerana, fa soritraretina FVR no niseho tamin’ity lehilahy ity », nanampy fanazavana ity lehiben’ny tobin’ny zandary voalaza ao an-toerana. Nahare sy nahita ity tranga ity ny fokonolona tao an-toerana dia natahotra, satria noheverin’izy ireo fa matin’ny valanaretina coronavirus ity farany. Nandraisan’ny lehiben’ny fokonolona fepetra nalevina haingana ny androtr’iny ihany, io lehilahy io. Fotoana vitsy taorian’izay ity vehivavy iray nindaosin’ny fahafatesana faharoa, dia voalaza ihany koa fa naneho trangana soritraretina tahaka ilay lehilahy maty voalohany. Nandraisan’ny fokonolona fepetra torak’izany izy, noho ny tahotr’izy ireo ny fihanaky ny covid-19.

« Mety ho avy amin’ny kaikitry ny moka »

Raha ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena hatrany, nisy ny fanadihadiana nataon’ity mpitsabo biby mpanampy ity, ka tamin’izany indrindra no nilazan’ity farany fa tsy nandray na nihinana hena ireto olona maty ireto, kanefa naneho soritraretin’ny FVR, ary tsy nisy fianakavian’izy ireo naneho soritraretina toraky ny nahazo azy ireo, anefa. Nipetraka, noho izany, ny ahiahin’ireto tompon’andraikitra voalaza, fa mety ho FVR avy amin’ny kaikitry ny moka no nahafaty azy ireo. Mbola mandeha anefa ny fanadihadiana mikasika ny tena zava-misy marina nahafaty ireto lehilahy sy vehivavy tany an-toerana ireto. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nanambara ofisialy ny amin’ny fomba na ny antony nahafatesan’ireto olona roa ireto ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana ary ny Jono. Raha tsiahivina, ny soritraretin’ny FVR mpitranga amin’ny olombelona dia miseho amin’ny alalan’ny fanaviana, manakotsako ny nofo sy ny vanin-taonala, miseho amin’ny aretin’andoha, ary matetika eo ny fahaverezan-drà mitarika fahafatesana. Ny taona 2008 ihany koa, no isany namono biby fiompy sy olona betsaka tamin’ny faritra maro teto amintsika  ny FVR. Na dia mirongatra, aza, ity valanaretina FVR ity ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, tsy mitazam-potsiny izany ny Fitondram-panjakana fa nandray fepetra nitondra fanafody sy vaksiny tany an-toerana. 10 andro taorian’izany izao dia nambaran’ireo mpitsabo biby any an-toerana fa nahitam-bokany izany, ka tsy dia nahitana fahafatesam-biby fiompy nisesy intsony, hatreto.

Fermer