KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

VOHITRY NY KOLONTSAINA – AMPEFY : Hanehoana sy hampahafantarana ireo foko malagasy

Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika ny hanome lanja ny sehatry ny Kolontsaina. Eto amintsika, zary lasa adinodino ny tantara, indrindra ny nipoiran’ny foko sy ny tokony ho fantatra rehetra manodidina izany. Tranga izay nandrisika ny ekipan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny, hametraka ny hatao hoe “Vohitry ny Kolontsaina” na “Village Culturel”, izay hapetraka ao Ampefy. Tonga nijery ifotony ity toerana hametrahana azy ity tany an-toerana ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana sy ny ekipa notarihiny omaly…

“Efa ela no tokony hisy toerana hahafaha-mamantatra ny tantara sy ny momban’ny foko rehetra misy eto Madagasikara teto amintsika, saingy tsy nataon’ny mpitondra nifandimby lahara-pahamehana izany”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, omaly.

Izany indrindra no naharesy lahatra ny ekipan’ny minisitera ankehitriny nanao vain-dohan-draharaha ny fametrahana azy ity. Araka izany, tetikasa goavana no hatsangana, entina hanandratana sy hampahafantarana ny kolontsaina Malagasy, mampiavaka ireo foko rehetra eto Madagasikara, hatao amin’ity toerana mirefy roa hektara ity. Tsara tsiahivina, fa ny volana Aprily 2019 no nanan-kevitra ny teo anivon’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny hamondrona amina toerana iray ny mombamomba ireo foko rehetra eto Madagasikara. Hampahafantarina ao anatin’izany avokoa ny fomba amam-panao rehetra mampiavaka ny foko tsirairay avy. Araka ny fanazavana, tao-trano sy fomba amam-panao mampiavaka ny foko rehetra no hapetraka ao amin’ny Vohitry ny Kolontsaina ary ezahina ny hampitovy rafitra ny fomba nenti-nanangana izany tany am-piandohana.

Foko sivy aloha amin’izao vao manomboka izao

Nanazava ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Razafiarison Francis, fa “sarotra ny mitady ireo torohay rehetra momba ny foko iray, ka izay hananana antontan-kevitra sy ny torohay ihany aloha no aseho ao amin’ity toerana ity amin’izao fanombohana izao, saingy hiitatra tsikelikely kosa izany.”

Noho izany, foko sivy, dia ny Betsileo, Zafimaniry, Merina, Sakalava ,Antandroy, Antefasy, Betsimisaraka, Tsimihety ary Bara no apetraka eo am-panombohana ity tetik’asa ity. Etsy ankilany, hiteraka asa ho an’ny tanora ity toerana ity, miainga amin’ny fotodrafitrasa rehetra hapetraka ao amin’ity “Village Culturel” ity. Amin’ny maha tetikasa goavana ity fotodrafirasa hatao any Ampefy ity, dia hisy ihany koa ny toerana « Arène » izay hatokana entina hanaovana fampisehoana na kilalao mampiavaka ny kolontsaina fahizay. Ny Solombavambahoakan’i Madagasikara avy any amin’ity distrika ity kosa nanamafy, fa na ny voka-pambelon’ny tantsaha mpamokatra aza dia azo antenaina ho hihatsara noho ny filàna mety tadiavin’ny ireo mpisehatra mifanerasera amin’ity tetikasa vaovao ity. Marihina fa omaly no nidina ifotony, nijery sy nitsidika ny toerana hametrahana ny « Vohitry ny Kolontsaina », izay hatao ao amin’ny Kaominina Ampefy, Distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana. Nanotrona azy tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Itasy, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Soavinandriana, ny Lehiben’ny fileovana Miarinarivo, ireo tompon’andraikitra isan-tokony aty amin’ny Faritra Itasy ary ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisitera foibe.

Fermer