Songadim-baovaoSosialy
«VOIE RAPIDE» IVATO-AMBOHITRIMANJAKA : Hisokatra tanteraka amin’ny fiandohan’ny volana aogositra
Tetikasa goavana entina manatsara ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ny fametrahana ny lalana «voie rapide» mampitohy an’Ivato sy Ambohitrimanjaka. Hanamaivana kokoa ny fitohanan’ny fiara eo amin’ny lalana mampifandray ny renivohitra sy ny seranam-piramanidina iraisam-pirenena Ivato izany. Hahazo tombony voalohany amin’ny fananganana io fotodrafitrasa io ireo mponina mipetraka manodidina an’Ivato sy Talatamaty, ary ireo mpandeha hihazo ny seranam-piaramanidina. Nanatanteraka fitsidihana teny an-toerana omaly ny ekipa notarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore. Tanjon’izany ny fijerena ny fandrosoan’ny asa sy ny fahavononan’ny fotodrafitrasa ho amin’ny fanokafana. Nivoitra, araka izany, fa hisokatra tanteraka amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy io, ho an’ny besinimaro, ny tapany farany amin’io “voie rapide” io. Ampahany farany mirefy 4Km, miainga eo amin’ny rond-point Ivato Don Bosco ka hatrany amin’ny rond-point Andranotapahana.
Tsara ny manamarika fa hifandray mivantana amin’ny “village artisanal” eny Ambohitrimanjaka sy ny “boulevard de l’Europe” eny Ankasina io lalana io rehefa vita tanteraka. Ankilany, mitohy ihany koa ny asa fanitarana ho “4 voies” ny lalana manomboka eny amin’ny rond-point Tsarasaotra, mandalo an’i Lake Iarivo, hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
S.S




