PolitikaSongadim-baovaoSosialy
VOINA VOKATRY NY ANDRO RATSY: Tafakatra 131 006 ireo traboina, 51 namoy ny ainy
Eto Analamanga, Distrikan’Antananarivo I no ahitana traboina betsaka indrindra, araka ny tatitry ny antontanisa navoakan’ny BNGRC omaly. Na dia eo aza ireo olona efa miverina any amin’ny tranony, noho ny faharitran’ny rano, mbola miisa hatrany amin’ny 31 928 ireo traboina eto amin’ny Antananarivo I. Teto an-drenivohitra ihany koa anefa no nahitana ireo fahasimbana fotodrafitrasa isan-karazany, ary koa fambolena. Izany rehetra izany no anisan’ny naha feno ny fepetra nandraisan’ny Fanjakana ny “Etat de sinistre national” afak’omaly, na ny fanambarana “voinam-pirenena”.
Miakatra ny tarehimarika. Na dia efa tsy avy aza ny orana tato anatin’ny andro vitsy, dia hita ho mbola misy fiakarany ihany ny tarehimarika amin’ireo voasokajy ho traboina. Antony maro no mahatonga izany, araka ny fanazavana, fa anisany ny mbola tsy faharitran’ny rano, ka tsy hahafahana mipetraka any an-trano. Raha ny antontanisa navoakan’ny BNGRC omaly, dia niisa 11 352 ireo trano fonenana mbola dibo-drano. Tafakatra 47 243, araka izany, ireo olona tsy maintsy nafindra toerana. Isan’ny nanaitra tamin’ny tatitry ny BNGRC omaly ny nanambarana fa trangana fahafatesana telo izay no efa niseho tamin’ireo toerana fandraisana traboina eto Antananarivo Renivohitra. Tsy voafaritra, nandritra ny tatitra, ny anton’ny fahafatesana. Araka ny fanazavan’ny BNGRC hatrany, tsy maintsy hirosoana maika ny fanesorana ireo traboina mbola mitoby eny anivon’ny sekoly, mba ho fitsinjovana ny fiverenana an-dakilasin’ny mpianatra, amin’ny alatsinainy ho avy izao.
“Voinam-pirenena”
Omaly, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Haino aman-jerim-panjakana, tao anatin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano Mihono”, no nitondran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ny fanazavana mahakasika ilay hoe “Etat de sinistre national”, na ny “Voinam-pirenena”. Ity farany izay dingana ara-panjakana tsy maintsy raisina mialohan’ny fiantsoana fiarahamiasa sy fanampiana eo amin’ny sehatra iraisampirenena, araka ny fanazavana. Tsy maintsy miainga amin’izay fanambarana izay ny fanetsehana ireo mpiara-miombona antoka amintsika mba ho fifanomezan-tanana amin’I Madagasikara iatrehana ny vokatry ny loza voajanahary. Noho izany indrindra no nanaovana ny tombana ankapobeny ny voina nahazo antsika. Tafiditra ao anatin’izany ny isan’ny lavo, ny isan’ireo traboina, ireo rava fananana, rava trano, potika fambolena sy asa fivelomana sy ny sisa. Ireny rehetra ireny dia avoaka ao anatin’ny tatitra amin’ny ankapobeny, hoy izy, hahafahana manambara ny Voinam-pirenena. Madagasikara dia manana tahirim-bola manokana eo amin’ny 50 tapitrisa dolara eo ho eo. Efa nisy nampiasaina amin’ny Covid-19 sy ny sisa io famatsiam-bola io, saingy mbola manana 35 tapitrisa dolara azo ahetsika iatrehana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao isika.



