PolitikaSongadim-baovao
VOKA-PIFIDIANANA TETO ANTANANARIVO: Tombony ho an’ny IRMAR ny fizarazaran’ny mpanohitra
Mbola tany amin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra no efa nambara ombieny ombieny fa hamparefo ny mpanohitra io ady an-trano misy eo amin’izy ireo io. Noporofoin’ny vokatry ny latsa-bato izany ankehitriny. Na Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, na andriamatoa Hery Rasoamaromaka, izay samy ao anatin’ny Vovonana mpanohana ny Filoha, dia samy nanamafy avokoa lasa tombony ho azy ho an’ny IRMAR ny fizarazaran’ny mpanohitra teto an-drenivohitra.
Analiny ny elanelam-bato eo amin’ny Kandidàn’ny IRMAR Harilala Ramanantsoa sy ny Kandidàn’ny Tim Tojo Ravalomanana, raha ny fironan’ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra no jerena. Mitarika ny IRMAR. Tranga izay vokatry ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo samy mpomba ny Filoha Andry Rajoelina, araka ny fomba fijerin’i Hery Rasoamaromaka , Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV. Nandray lesona tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo ny IRMAR, hoy ity tomponandraikitra ity. Tsy takon’afenina tokoa mantsy ny tsy fitovian-kevitra nisy teo amin’ireo mpiray antoko tamin’izany fotoana, ka nahatonga ny mpanohitra nahazo laka. Ho an’ny tao amin’ny boriborintany fahatelo aza moa dia kandidà tsy miankina sy ny mpanohitra no nahazo ny toeran’ny Solombavambahoaka miisa roa vokatry ny disadisa anaty teo amin’ny samy volomboasary. Narenina izany tranga izany tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina teo, ka nahitam-pahombiazana ho an’ny IRMAR, araka ny tatitra.
Tetsy ankilany anefa ny mpanohitra dia nizarazara tanteraka. “Voalohany dia nisy fahadisoana lehibe avy tamin’ny mpanohitra ny tsy nahafahan’izy ireo namoaka kandida tokana. Ary efa nolazaiko hoe nanome tombony ho azy ho an’ny kandidan’ny IRMAR io tsy fahaizan’ny mpanohitra nifanaraka io. Raha i Tahina Razafinjoelina sy Tojo Ravalomanana fotsiny no nahay nifanaraka, dia nandresy an’i Harilala Ramanantsoa, voaporofon’ny tarehimarika izany”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy, tao anatin’ny fanehoan-keviny.
Teny mivoy fankahalana !
Ho an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, ny hafatra nentin’ny kandida mpanohitra koa dia anisan’ny antony tsy naharesy lahatra ny mpifidy, satria nivoy fankahalana, nivoy korontana foana. Ary ilay kandidan’ny TIM dia « agressif » loatra tamin’ny fihetsika sy fiteny nasehony. “Mazava be ny hafatry ny mpifidy, tsy mila korontana intsony, tsy mila gidragidra intsony, nefa ny TIM vao andro voalohany dia nanao « provocation » nitsapa rano nandalo teo amin’ny 13 mai”, hoy hatrany Lalatiana Rakotondrazafy. Tao anatin’izay koa dia ady an-trano no hita taratra, teo amin’ny fifanenjehana tamin’i Tahina Razafinjoelina sy ny TIM, dia variana tany amin’ny hoe ampamoaka sy ny famaliana bontana azy sy i Bodo ny mpomba an-dRavalomanana.
« Ity stratejia mivoy fankahalana fatratra sy manely tsaho ity koa hoy aho efa tsy nahomby mihitsy fa dia tsy manaiky mihitsy ireo mpomba ny TIM fa miziriziry amin’ny fahadisoany ao efa firy taona izay”, hoy hatrany izy. Vao misy miteny tsy mitovy hevitra dia ompaina, hamoronana lainga, omena anara-petaka manambany sy manivaiva, haratsiana foana. “Nefa ange fifidianana no atao e, mila maka ny fon’ny olona ianareo, nefa ianareo « message de haine » no tena novoizina mafy, ny an’ny olona « message de solidarité, de fraternité et d’amour » no naindraindra. Asa raha mba hahay hijery fitaratra ianareo”, hoy hatrany Lalatiana Rakotondrazafy.
Korontana sy valifaty politika
Ho an’ny fitondram-panjakana manokana, dia misy hafatra lehibe azo tsoahina iny safidy nataon’ny vahoakan’Antananarivo iny. « Eny ary, tsy mila korontana ny vahoaka, tsy nifidy olona nikotrika korontana sy valifaty politika. Nahatsapa koa izy fa tsy hoe hifidy ny mpanohitra dia hivaha ny olana ara-tsosialy maro (rano sy jiro)- io koa fitaka bevava nataon’ny mpanohitra- fa kosa, miandry izay hataon’ny mpitondra sy ny mpitantana amin’izay ary manomboka eto”, araka ny fanazavany.
FANOVANA FOMBA FIASA !
Na tiana na tsy tiana kosa aloha, misy fomba fiasa mila ovain’Atoa Filoha satria tsy tafita ilay hafatra nomeny hoe mila miasa, mila vahaolana ny vahoaka malagasy, fa tsy mila « fidinana ifotony » hanaovan’ireo tompon’andraikitra fisehosehoana kanefa aotra ny vokatra, araka ny fanamarihan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Mbola nohamafisiny hoe “lazao ny marina ny vahoaka, dia aza asiana « état d’âme » Atoa Filoha fa esory izay tsy miasa fa lasa ianao avy hatrany no « fusible ». Ilay « nouveau souffle » sy ilay « dynamique » vaovao nandrasana anie ka tsy hita e, dia manaova fanadihadiana ifotony Atoa Filoha fa misy mameno paosy fotsiny ny tompon’andraikitra notendrena a, mila fahasahiana mandray andraikitra feno fa tsy mendrika fitakiana « écolage » sy fandanindaniam-bolam-panjakana etsy sy eroa ny vahoaka mbola nametraka ny fitokisany taminao », hoy ny antso nataon-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Ny Sekretera nasionalin’ny TGV koa dia mbola nanamafy izany, izay niteny fa tsy manana fialantsiny intsony ny Fitondrana aorian’izao fahalianian’i Harilala Ramanantsoa izao. Manomboka any amin’ny Filohan’ny Repoblika ka hatrany amin’ny ben’ny tanàna no efa maro an’isa ny Volomboasary. Niantso ireo tomponandraikitra rehetra hanao ny asa manandrify azy ity tomponandraikitra ity.




