PolitikaSongadim-baovao

VOKA-PIFIDIANANA VONJIMAIKA: Mitarika amin’ny Faritany enina ny IRMAR

Roa herinandro taorian’ny nanatontosana ny fifidianana Loholona teto Madagasikara, natolotry ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni, tetsy Alarobia, ny vokam-pifidianana vonjimaika, omaly. Araka izany, nitarika tamin’ny faritany enina ireo lisitra IRMAR...

Tao anaty fanajana ny lalàna mifehy ny fifidianana tanteraka no nanatanterahana ny fifidianana Loholona farany teo, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Ceni. Izy ireo izay nilaza ho afa-po tamin’ny anjara asany teo amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny raharaham-pifidianana loholona sy ny valin’izany, ka nanambara am-pahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika,  omaly. Nisongadina nandritra io fampahafatarana io ny fitarihan’ny Vovonana « Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina » na ny IRMAR tamin’ny Faritany enina. Tsikaritra fa tsy nifanalavitra firy tamin’ny vokatra nangonina avy teny amin’ireo biraom-pifidianana ifotony ny vokatra vonjimaika nomen’ny Ceni.  Ho an’ny tao amin’ny Faritany Mahajanga, tsy nisy afa-tsy kandidà tokana nahitana an’i Alidy Bin Soufou, nahazo ny salanisa 100%. Kandidà niisa roa no nandray anjara tao amin’ny Faritan’i Fianarantsoa ka  nitarika tamin’ny salanisa 91, 23% nanolana ny mpifandrina aminy Rasolondratsimba Raymond.

Ankoatra izay, ho an’ireo kandidà telo nirotsaka ho fidiana tao amin’ny Faritra Antsiranana, nahatratra 72, 75% ny tahan’ny vato azon’i Seramila Avozara Mino, nanaraka azy tamin’ny salanisa 25, 94% azony, ny antoko tsy miankina Bemartin Bemahatana raha toa ka, 1,31% ny vaton’i Lemoin Soloniana Hermann. Tetsy ankilany, ho an’ny teto Faritanin’Antananarivo, mpifidy vaventy niisa 2 228 tamin’ireo 2 428 voasoratra anarana no tonga nifidy. Nitotaly 63,19% ny tahan’ny vato azon-dRazafimahefa Herimanana  (IRMAR), nanaraka azy ny antoko MMM nahazo  ny 36,54% tamin’ny isam-bato ary nofaranan’ny antoko tsy miankina Faly, nahazo ny salanisa 0,27%.  Tao amin’ny Faritany ny Toliara, mitarika  amin’ny taha 75,14%,  i Eongobolo Jean Marcel rehefa nandrombaka ny vato niisa 1529 ary 24,86%, azon’ny antoko tsy miankina VMM. Fanampin’izay, tao amin’ny Faritanin’i Toamasina, nifanakaiky ny elanelan’ny voka-pifidianana teo amin’ireo kandidà roa  tamin’ny telo nandray anjara satria 52, 72% ny salanisa azon’ny antoko IRMAR, nahitana an’i Manasoa Donat Tang raha toa ka, 46, 42% ny tahan’ny vato norombahin-dRahariniarana Sidonie. Farany tao aorian’izy ireo, ny antoko tsy miankina Mbahiray nahazo salan’isa 0,86% nahitana an’i Be Adolphe.

Tsy fahatomombanana niisa roa…

Nandritra ny fanomezana ny valim-pifidianana io omaly io ihany, nanambara ny mpampaka tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fanomezantsoa fa tsikaritra ny fisian’ny tsy fahatomombanana niisa roa, nandritra ny fanatontosana ny fifidianana loholona farany teto amintsika. Isan’izany ny zava-nisy tao Distrikan’i Miandrivazo, rehefa namerina ny fanisam-bato sy ny fanamarinana samihafa  ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana,  hitan’izy ireo fa tsy nitovy tamin’ny voarakitra an-tsoratra voaray ny vato nisy. Tetsy ankilany, mpifidy vaventy niisa telo kosa, tratra nitondra biletam-pifidianana avy any ivelany sarona tao amin’ny Distrikan’i Morombe. Notsiahivin’ny mpampaka tenin’ny Ceni fa efa nanao ny fanamarinana rehetra izy ireo ary ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenena no tompon’ny teny farany mahakasika ny voka-pifidianana eto amintsika. Marihina kosa, araka ny rijatenin-dalàna voasoratra, afaka tapa-bolana no hivoaka ofisialy ny valim-pifidianana ny loholona eto Madagasikara .

Tsiferana (Mpianatra asa)

Fermer