Songadim-baovaoSosialy

VOKA-PIKAROHANA « ED 1 » : « Tsy fandraràna fa fampanarahan-dalàna no nataon’ny Fanjakana »

Nitondra fanazavana amin’ny maha mpitondra tenin’ny Governemanta azy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly manoloana ny fisian’ny fanafody mitondra ny marika “ED 1” izay miparitaka ary jifain’ny olona fa hoe mahasitrana ny Coronavirus. « Tsy fandraràna fa fampanarahan-dalàna no nataon’ny Fanjakana », hoy izy.

Misy ny fomba amam-panao izay tsy maintsy atao rehefa hanaparitaka fanafody omena ny daholobe, ary mitohy amin’ny fahazoana ny antsoina hoe “Autorisation de mise sur le Marché” (AMM) izany, na ny fahazoan-dalàna hivarotra vokatra iray. Araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, ny Fitondram-panjakana dia tsy mandrara velively na iza na iza ka mahita fanefitra hiadiana na hisorohana ny valanaretina Covid-19, sady tsy mandrara fa mampirisika mihitsy aza. Misy laboratoara maro eto amintsika mamokatra fanafody isan-karazany izay tsy mametraka olana mihitsy satria efa nahazo an’io AMM io avokoa. Tsy maintsy mipetraka ho arofanina kosa ny Fitondram-panjakana, hoy izy. Na dia maika aza isika hitady ny hevitra mahomby sy fanafody rehetra hiadiana amin’ny valanaretina dia farafahakeliny tsy maintsy takina amin’ny fanafody na voka-pitsaboana rehetra izay amidy ho an’ny besinimaro ny AMM, hoy hatrany ny Mpitondra tenin’ny Governemanta.

 Ilaina hatrany ny AMM amin’ny raokandro rehetra

Tsara ho fantatra fa efa nisy ny antso nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka amin’ny Dokotera nanao ny fikarohana an’io vokatra io. Ity Dokotera ity rahateo koa dia nanao antso amin’ny Fanjakana mba hiaro ny voka-pikarohany. Ary izany indrindra no nahatonga ny Fanjakana nampiantso azy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana, mba ahafahana mitily ny voka-pikarohany, mba hanomezana ilay AMM. Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa na ny CVO aza, nialohan’ny nahafahana nivarotra azy, dia tsy maintsy nahazo ny AMM teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay vao azo varotana. “Tsy fandrarana akory izany fa fiarovana ny olom-pirenena”, hoy hatrany izy.

“Nantsoin’ny Fanjakana io Dokotera io, mba hahafahana mampanara-dalàna ny fanafody mialohan’ny hivarotana azy. Tena heloka bevava ny ataon’ny Fanjakana raha mamela fanafody hohanin’ny olona kanefa tsy manome mialoha izay AMM izay”, hoy hatrany ny Minisitra. Izy izay niantso ireo Dokotera rehetra mety mahita fanefitra na fanafody ho an’ity coronavirus ity mba hanaraka izay pitsopitsony araka ny lalàna izay. Iny AMM iny no midika fa tsy loza mitatao ho an’ny vahoaka ny fihinanana ny vokatra. Diso daholo, noho izany, ny resabe izay iniana aely ankehitriny izay milaza fa tahotra fifaninanana amin’ny CVO no mahatonga ny Fanjakana nandray ny fanapahan-kevitra.

Fermer