Songadim-baovaoToekarena
VOKATRA LETISIA: Mahatratra 6 000ar ny kilao any Toamasina
Faritra anisan’ny mpamokatra voankazo litchi betsaka indrindra eto Madagasikara ny any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy. Raha ny fitsirihana nataon’ny CTHT na “Centre Technique Horticole de Tamatave” tamin’ny volana oktobra lasa teo anefa dia hihena kokoa ny vokatra litchi avy any Toamasina amin’ity taona ity, indrindra ny any amin’ny faritra avaratra. Iray volana eo izao no nisokafan’ny taom-piotazana litchi ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Hita taratra tao anatin’izay fe-potoana izay io fahavitsian’ny vokatra io.
Isan’ireo voankazo betsaka mpankafy anefa ny litchi. Ambony kokoa, araka izany, ny filàna amin’io vokatra io mitaha amin’ny vokatra izay vitsy. Vokany, miaka-bidy ny litchi ho an’ny taom-piotazana 2024. Any toamasina izay ahitana betsaka io vokatra io isan-taona dia tafakatra 5 000ariary hatramin’ny 6 000ariary ny vidin’ny litchi iray kilao any an-toerana amin’izao fotoana. Vidiny farany ambany indrindra ny 4 000ariary isaky ny kilao, hoy i Damaro mpivarotra ao Bazary Be. Ankoatra io, vitsy ireo olona nahasahy nivarotra litchi ao Toamasina. Antony mahatonga io fahavitsian’ny vokatra io moa ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro ka nitarika tamin’ny tsy fahampian’ny orana izay tena ilain’ny fambolena litchi.
Noho io fikaran’ny vidin’ny litchi io, mikaikaika ireo mpanjifa, hoy i Damaro. Miara-dalana amin’izany ihany koa ny fahasarotan’ny fandafosana ireo vokatra. Efa zatra mividy litchi amin’ny vidiny 2 000ariary hatramin’ny 3 000ariary isaky ny kilao toy ny tamin’ny taon-dasa ireo mpanjifa. Raha toa ka nahalafo litchi hatramin’ny 6 garaba isan’andro ny mpivarotra iray tamin’ny taon-dasa dia tsy misy afa-tsy garaba 4 eo farafahabetsany no lafon’ireo mpivarotra amin’izao fotoana. Ahitana litchi 20kg hatramin’ny 30kg ny garaba lehibe iray.
Sarobidy Sidonie.




