Fanadihadiana ManokanaSosialy

VOKATRA SIGARA : Havaozina ireo fampitandremana ara-pahasalamana amin’ny fonosana

Firenena maromaro maneran-tany no manokana ny volana novambra ho volana tsy hifohana sigara, tsy hinanana paraky. Hamafisina mandritra ity volana ity, araka izany, ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny fifohana sigara. Fantatra tamin’ny faran’ny volana oktobra lasa teo fa hiroso amin’ny fanavaozana ireo fampitandremana ara-pahasalamana eny amin’ny fonosana vokatra sigara ny Ofnalat.

Tsy eto Madagasikara irery ihany, tranga misy hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ny firoborobon’ny fifohana sigara ary mihatanora ireo sokajin’olona mandray io zavamahadomelona io. Raha ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin’ny volana mey lasa teo, niainga tamin’ny antontanisan’ny taona 2022, dia ankizy tsy latsaky ny 37 tapitrisa maneran-tany, eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 15 taona no mihinana paraky sy mifoka sigara. Any Eoropa manokana, 11,5%-n’ireo tovolahy ary 10,1%-n’ireo zatovovavy 13 hatramin’ny 15 taona no mihinana paraky sy mifoka sigara. Izany hoe manodidina ny 4 tapitrisa eo ny fitambaran’izy ireo.
Raha hitodihana kosa ny zava-misy eto Madagasikara, manodidina ny 4 miliara isan-taona ny singana sigara lafo sy vokarin’ireo indostria mpamokatra sigara eto amintsika. Tsikaritra ihany koa fa miha tanora ireo olona mifoka sigara ka misongadina amin’izany ireo ankizy eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 15 taona. Tamin’ny taona 2018, ohatra, manodidina ny 8%-n’ireo ankizy eo anelanelan’io salan-taona io no mifoka sigara. Antony mandrisika ny ankizy hirona amin’ny fifohana sigara ny fahalalahana sy fahamaroan’ireo mpivarotra eny amin’ny faritra manodidina ny sekoly. Araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana iray eto Madagasikara misehatra mahakasika ny ady amin’ny fifohana sigara sy fandraisana paraky, ahitana mpivarotra sigara miisa 15 ny toerana 100 metatra manodidina ny sekoly iray.
Fiantraikany ratsy ho an’ny fahasalamana sy ny lafiny toekarena
Mitovy ary samy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana, na ny fihinanana paraky na ny fifohana sigara. Maro mantsy ireo mihevitra fa tsy ahitana voka-dratsy loatra amin’ny fahasalamana ny fihinanana paraky mitaha amin’ny fifohana sigara. Nomarihin’ny mpitsabo fa mitovy ny fiantraikan’ny sigara sy ny paraky amin’ny vatana. Samy zava-maniry iray ihany no ahazoana azy roa ireo fa ny fomba fampidirana azy ao amin’ny vatana fotsiny no tsy mitovy: ny iray fohana, ary ny iray harapaka. Miteraka fiantraikany ratsy ho an’ny fahasalamana ny fandraisana sigara sy paraky. Miparitaka amin’ny vatana iray manontolo ny singa ratsy entin’ireo zava-mahadomelina ireo, vantany vao mandray izany ny olona iray. Aretina ratsy indrindra ateraky ny fandraisana sigara sy paraky ny homamiadana. Manaraka azy ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny tratra. Izany hoe mikoaka sy sempotra lava ny olona tsy mahazaka ny fifoana sigara. Ary mety ho tratran’ny aretim-bavony sy aretin’ny voa ny olona mihinana paraky. Miteraka fikorontanan’ny rà sy fahatsentsenan’ny lalan-drà ihany koa ny singa toksika misy any amin’ireo rehetra ireo. Izany hoe mitarika any amin’ny aretim-po sy olana any amin’ny atidoho. Tsy adino ny olana sy ny tsy fahatomombanana eo amin’ny ativava.
Noho ireo rehetra ireo, manodidina ny 8 300 isan-taona ny olona maty vokatry ny sigara. Misongadina amin’ireo aretina azo avy amin’ny fihinana paraky na ny fifohana sigara ny tsy fahatomombanan’ny tosidra. Ankoatra io, azo avy amin’ny fifohana sigara ihany koa ny 2/3-n’ny aretina homamiadana. Fehiny, miteraka faty antoka ho an’ny firenena ny sigara sy ny paraky satria tsy maintsy miatrika ireo aretina sy fahaverezana olona ireo isika. Tokony handray anjara amin’ny asa fampandorosoana anefa ireo olona ireo. Mitentina 491 miliara ariary isan-taona ny faty antoka ara-toekarena eto amin’ny firenenatsika noho ny fifohana sigara sy ny fandraisana paraky raha ny tatitra avy amin’ny PNUD. Mila hentitra sy mafy isika, araka izany, ao anatin’ny ady amin’ny fandraisana ireo zavamahadomelona ireo.
Fanamafisana fanentanana…
Manoloana ireo zava-misy ireo, hamafisina hatrany ny ady amin’ny fihinanana paraky sy fifohana sigara. Firenena maromaro maneran-tany no manokana ity volana novambra ity ho volana tsy handraisana sigara sy tsy hinanana paraky mihitsy ka manatanteraka hetsika mifandraika amin’izany. Ho antsika eto Madagasikara kosa, manohy hatrany ny ezaka mifandraika amin’izay ady amin’ny fifohana sigara izay ry zareo avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny OFNALAT (Office National de Lutte Antitabac). Misy hatrany mandava-taona ny fanentanana eny anivon’ny sekoly manerana ny Nosy, hampahafantarana ireo ankizy sy tanora dieny mbola eny an-tsekoly fa tsy tsara ho an’ny fahasalamana ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Misy ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo komity mpisehatra eny ifotony ao anatin’ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky.
Ankilany, tontosa tamin’ny 30 oktobra lasa teo, teto Antananarivo ny fivoriana mikasika ny fanavaozana ireo fampitandremana ara-pahasalamana amin’ny fonon’ny vokatra paraky na ny sigara izany. Soratra sy kisarisary misy amin’ny fonon’ny sigara ankehiriny ny fanehoana ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara, izany hoe ireo fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana. Hasim-panatsarana sy hamafisina, noho izany, ireo fampitandremana ara-pahasalamana ireo. Nanazava ny OFNALAT fa anisan’ny fitaovana iray mahomby amin’ny fampahafantarana ireo loza ateraky ny fihinanana paraky sy fifohana ireo karazana sigara ny fametrahana ireo fampitandremana ara-pahasalamana. Ho fanatanterahana izay fanatsarana amin’ny fahombiazan’ny fampitana hafatra izay dia hikarakara fifaninanana sary azo apetraka amin’ireo fonosana sigara ny OFNALAT. Tsy ho ela dia hampahafantatra ny vontoatin’io fifaninanana io izy ireo.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer