Songadim-baovaoSosialy

VOKATRY NY RIVODOZA BATSIRAI: Hisitraka fitaovana fanadiovana rano ireo Faritra tena voakasika

Ankoatra ny faharavana fotodrafitrasa, isany mampijaly ny mponina ihany koa ny fahalotoan’ny rano fisotro vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy Batsirai. Io no fantatra taorian’ny fidinana nataon’ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Ladislas Adrien Rakotondrazaka niaraka tamin’ireo delegasiona izay  nahitana ny Ambasadaoron’i Norvège, Allemagne, ny Solontena maharitry ny Firenena Mikambana, ny Unicef sy PAM ary ny Banky Iraisampirenena  tao Mananjary ny Talata 07 Febroary lasa teo. Manoloana izany olana izany indrindra, tonga nitsidika ny Ministra tao amin’ny birao fiasany ny 09febroary 2022 teo ny Ambasadaoron’i Suisse, SEM Chasper Sarott niaraka tamin’ireo  manampahaizana manokana momba ny rano sy fanadiovana, indrindra amin’ny resaka fanadiovana rano. Fitsidihana izay naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny  fanatanterahana ireo tetikasa fitsinjarana fitaovana fanadiovana rano ao amin’ireo toerana tra-pahavoazana toa an’i Mananjary, Manakara sy Vohipeno. Nandritra fitsidihana dia  nisy ny dinika nifanaovan’ny Tale Tekinika eo  anivon’ny Minisitera sy ireo « expert » Suisse amin’ny toerana hanombohana ilay tetikasa ka tapaka tamin ‘izany fa  i Manakara no hanaovana ny fidinana voalohany ary hametrahana ireo milina fanodinana sy fanadiovana rano ireo.

Fiaraha-miasa amin‘ny  Firenena Allemagne

Noraisin’ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana  ihany koa  taorian’izay, ireo teknisianina Allemand miisa 16 avy any Allemagne, dia ny « Corps de Protection Civile Allemande » THW (Technisches HilfsWerk). Izy ireo dia  hitondra fitaovana fanadiovana rano manana fahafahana manadio rano ho an’olona 20 000 isan’andro. Araka ny fandaminana dia hifampitsinjara amin’ireo faritra  toa an’i Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana, Iakora, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo  ihany koa izy ireo. Tsiahivina fa laharam-pahamehana,  ary tafiditra indrindra ao anatin’ny vinan’ny Filoha sy ny eo anivon’ny minisitera ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny rehetra, araka  ny Velirano faharoa.

Fermer