Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

VOLAMENA 1,5 KILAO TRATRA TENY IVATO: Nentina tamin’ny lamba miisa 10 nasiana akora simika

Volamena 1,5 kilao natao tamina lamba miisa 10 nasiana akora simika no saron’ny Fadintseranana malagasy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Araka ny fanazavana, fomba fiady vaovao entina hamoahana ny harem-pirenena indray ity niseho ity. Teratany indianina iray saika handray ny sidina ET 852 d’Ethiopian Airlines tamin’ny 20 Janoary 2023 teo no nahatrarana ireto volamena ireto. Tamin’ny fampandalovana ny entana teo amin’ny “scanner” no nahatsikaritra tranga hafahafa ny mpiasan’ny fadintseranana. Taorian’ny fanokafana ny entan’ity mpandeha ity, dia lamba miisa 10 nalona tamin’ny akora simika no hita tao anatiny. Ireo alika voataiza manokana avy amin’ny “Brigage canine” eny anivon’ny Fadintseranana malagasy no nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ireo lamba, ka nanaitra ireo mpiasan’ny fadintseranana. Natao, noho izany, ny fitiliana ireo lamba. Nisy ny fiarahamiasa tamin’ny Central Intelligency Service sy ny “Laboratoire des Mines et l’Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS) » tamin’ny fanaovana fitiliana. Vokany, ranom-bolamena milanja hatrany amin’ny 1,5kilao, izay mitsiranoka miaraka amin’ny akora simika, no sarona tamin’ireo lamba miisa folo ireo. Ireo lamba ireo izay nilanja 5,345 kilao, araka ny tatitra.

Nanambara ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy fa maneho ny maha zava-dehibe ny nametrahana ny « Brigade canine » ity tranga niseho ity. Ankoatra ny etsy Ivato, hotokanana amin’ny volana marsa izao ny « Brigade canine » any Nosy Be. Etsy ankilany, nanamafy koa ny Fadintseranana malagasy fa ilaina hatrany ny fanomezan-danja ny mpiasa sy ny fahaiza-manao manoloana ny fomba fiady vaovao hampiasain’ireo olon-dratsy amin’ny famoahana ny harem-pirenena. Tsy azo ihodivirana ihany koa anefa ny fanatsarana ny fitaovana sy ny fampiasana ireo teknolojia vaovao amin’ny fanarahamaso.

Fermer