PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VOLAMENA 49 KG TRATRA TAO KAOMORO: Voaheloka 7 taona an-tranomaizina ny dimy tamin’ireo voarohirohy
Nivoaka ny alakamisy teo ny didin’ny Fitsarana Kaomoriana mahakasika ireo olona sivy voarohirohy tamin’ny raharaha volamena 49kg avy aty Madagasikara sarona tao Kaomoro. Olona dimy tamin’izy ireo no fantatra fa nosazina 7 taona an-tranomaizina, raha toa ka 5 taona an-tranomaizina kosa no azon’ny roa. Tsiahivina fa efa nampodiana taty Madagasikara ireo teratany malagasy miisa roa voasaringotra tamin’ity raharaha ity.
Notontosaina ny herinandro lasa teo tao Moroni Kaomoro ny fitsarana ireo voarohirohy tamin’ilay raharaha fanondranana volamena antsokosoko milanja 49kg avy eto Madagasikara, sarona tao Kaomoro, ny 28 desambra 2021. Araka ny angom-baovao dia dimy tamin’ireo sivy voarohirohy tany an-toerana no voaheloka higadra 7 taona an-tranomaizina, miampy lamandy 7 tapitrisa Franc Comorien. Isan’izany ny Tale Jeneralin’ny seranam-piaramanidina tao Kaomoro teo aloha, Yasser Ali Assoumani. Teo koa ny mpiasan’ny fadintseranana iray sady zanaky ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Tampony any Kaomoro. Ankoatra izay, miisa roa ireo nohelohin’ny fitsarana dimy taona an-tranomaizina. Nanambara ny mpisolovavan’ireo voarohirohy fa hampiakatra ny raharaha taorian’ity didy nivoaka ity, araka ny loharanom-baovao hatrany.
Malagasy roa voasaringotra
Raha tsiahivina, ny 28 desambra 2021 no nisy ny fampitam-baovao navoakan’ny Pejy ofisian’ny zandarmaria tao Comores nilaza ny fisiana volamena “lingots d’or” milanja 49kilao izay tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Prince Said Ibrahim (AIMPSI) tao Comores. Olona telo no voasambotra niaraka tamin’izany, ka teratany malagasy ny roa amin’ireo, araka ny fampitam-baovao.
Ny 13 Janoary 2022, tafaverina teto Madagasikara ireo Malagasy roalahy voasaringotra tamin’ity raharaha ity, rehefa nanaiky ny hampodiana azy ireo ny Fanjakana kaomorianina. Izany dia vokatry ny ny iraka nataon’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Minisitry ny Fitsarana tamin’izany fotoana izany, tatsy Kaomoro momba ity raharaha volamena 49kg ity. Nanomboka tamin’io fotoana io dia ny Fitsarana malagasy no nisahana ny famotorana sy ny fitsarana ireo teratany malagasy roa lahy. Tetsy ankilany, mbola giazan’ny Fanjakana kaomoriana ireo volamena milanja 49Kg hatreto.




