Songadim-baovaoToekarena
VOLAN’NY « CIAD » ATSIMONDRANO: Natokan’ny Depiote Ratsivahiny ho an’ny fambolena
Kubota miisa 15, milina fijinjana sy fikapoham-bary, pompe à eau, sarklezy, ireo no santionany amin’ireo fampitaovana ara-pambolena natolotry ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, tamin’ny alalan’ny tetibolan’ny « CIAD » ho an’ny Distrikan’Atsimondrano. Tao anatin’ny roa taona no efa niompana tamin’ny fanohanana ireo tantsaha ny Distrikan’Atsimondrano, hoy ny Solombavambahoaka Andry Ratsivahiny, ka antony nisafidianana ireto fampitaovana ara-pambolena ireto. Ny Distrikan’Atsimondrano izay distrika voalohany nikarakara ny fifaninanana fambolena « ndao hamboly » tamin’ity taom-pambolena ity. Efa nisy ny fampitaovana nozaraina tamin’ireo tantsaha teo aloha ary hanampy izany ireto fitaovana natolotry ny solombavambahoaka tao Bemasoandro omaly ireto.
Tsara ho fantatra fa ankoatra ireo fitaovana ara-pambolena dia nisy ihany koa ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay azo tamin’ny alalan’ny ciad hatrany. Jiro miisa 1000 ka ny 600 no natolotra omaly raha efa nozaraina mialoha ny jiro 400 isa. Hiompana amin’ny fijerena ny velontenan’ireo fikambanam-behivavy kosa ny tetibolan’ny ciad manaraka ho an’Atsimondrano, hoy ny Solombavambahoaka.
Marihina fa omaly no feno herintaona ny fepotoampiasana faharoa ho an’ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny ary nanamarihany izany ny fanolorana ireto fampitaovana ireto.



