PolitikaSongadim-baovaoToekarena
VOLAVOLAN-DALANA MIFEHY NY TETIBOLA 2021: Nomen-danja ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana
Notontosaina teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, omaly, ny fivoriambe fanolorana amin’ny ankapobeny ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 na LFI 2021. Nisongadina tao anatin’izany ny nampiakarana ny fampiasambolam-panjakana eny anivon’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay taratry ny finiavan’ny Fanjakana ampanjaka ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto amin’ny tany sy ny firenena.
Tsy fanovana anarana fotsiny ihany no nataon’ny Fitondrana ankehitriny raha nanova ny Lehiben’ny Faritra teo aloha, ho lasa Governora. Ny fahefan’ny Governora sy ny fahafahany mandray fanapahan-kevitra amin’ny asa fampandrosoana isaky ny Faritra iadidian’izy ireo avy no anisany fanavaozana lehibe nataon’ny Fitondram-panjakana. Ankehitriny, misy ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2021. Tsikaritra ao anatin’izany ny fanamafisan’ny Fanjakana io fanomezan-danja ny Faritra io, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fampiasambolam-panjakana amin’ireny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireny. “Ireo tetibola enti-manorina fotodrafitrasa omena ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana araka izany dia hamafisina amin’ny alalan’ny Crédit d’investissement destiné à l’appui au développement (CIAD)”, araka ny voalaza ao amin’ny tatitry ny LFI 2021. Tsara marihana fa ny CLD teo aloha ihany no navadika ho CIAD, ary ireo Solombavambahoaka ihany no hitantana izany, ka hitentina 300 tapitrisa ka hatramin’ny 500 tapitrisa ariary izany, ho an’ireo distrika manana depiote roa.
Hitentina 5 495.5 miliara Ariary ny fampiasambolam-panjakana eny anivon’ny vondrombahoakam-baritra itsinjarampahefana amin’ny taona 2021, raha ny voalaza ao amin’ity volavolan-dalàna ity, raha toa kosa ka 5 195.2 miliara Ariary izany tamin’ny LFI 2020. Araka ny fanazavana, ny 2 035.8 miliara ariary amin’io vola ho ampiasain’ny Fanjakana io dia avy amin’ny loharanombola anatiny. Ary 3 459.7 miliara Ariary kosa no avy amin’ny loharanombola ivelany. “Ankoatry ny fanohizana ireo asa nekena atao nanomboka tao amin’ny LFR 2020 dia tetibola 421.0 miliara Ariary no omena ireo tetikasa vaovao sokajiana ho an’ny fisandratana”, araka ny fanazavana hatrany. Etsy ankilany, araka ny LFI 2021 hatrany, hisy koa tetibola manokana hirotsaka avy hatrany eny anivon’ny Kaominina, izay hitentina 25 tapitrisa ariary, raha toa ka 15 tapitrisa ariary izany tamin’ity taona ity.
Sosialy sy fanarenana ny toekarena
Amin’ny maha firenena vao avy nandalo krizy antsika eto Madagasikara, rariny raha toa ka naompan’ny Fanjakana bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy ny fandaniambolam-panjakana. Ary narafitra ihany koa ireo paikady samihafa hahafahana manarina ny toekarem-pirenena toy ny fampidiran-ketra sy ny haba samihafa alaina amin’ireo entana miditra eto amintsika. Nampiavaka ity LFI 2021 ity ny nanompanana tetibola manokana ho an’ny “caisse école” mandritra ny 10 volana. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanaovana maimaimpoana ny fidirana an-tsekoly ho an’ireo sekolim-panjakana. Ampahany ihany ireo fa maro ireo fepetra ara-tsosialy manokana noraisin’ny Fanjakana ao anatin’ity LFI 2020 ity.
Marihana fa omaly no natolotra ireo solombavambahoakan’I Madagasikara, tetsy Tsimbazaza ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 ity, izay nataon’ny Minisitry ny toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandranto, nontronin’ireo mpiara-miasa taminy. Nitarika ny fotoana kosa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine.



