PolitikaSongadim-baovao

VOLAVOLANDALÀNA 001/2020: Tombontsoa ho an’ny firenena ny fahalaniany

Miteraka resabe ankehitriny ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Governementa ho an’ireo solombavambahoaka sy ny Loholona, entina mandinika sy mampandany ny volavolandalàna laharana 001/2020. Ny faran’ny herinandro teo, nitondra ny fanampim-panazavana mahakasika izany indrindra ny mpitondra tenin’ny Governemanta, Andriatongarivo Lalatiana. Ity farany izay nanamafy fa fanatanterahana ny vinan’ny Filoha, mahakasika ny Antenimierandoholona no anton’ireny, ary ho tombontsoan’ny Firenena…

“Diso ny filazana fa manam-pikasana hanitatra ny fe-potoam-piasany ny Filohan’ny Repoblika” , hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, raha namaly ireo resaka maro iniana haely ankehitriny, mahakasika ny volavolandalàna laharana 001/2020, izay nanaovan’ny Governemanta antso fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemantera. Nambarany fa efa vinan’ny Filoham-pirenena, eny fa na dia fony izy mbola kandida ho Filoha aza, ny hanafoana ny Antenimierandoholona, noho ity andrimpanjakana ity mandany volam-panjakana be loatra kanefa betsaka no ilàna vola eto amin’ny tany sy ny firenena. Mbola tsy azo nirosoana anefa izany amin’izao fotoana izao noho ny antony araka ny lalàna. Ka ny fampihenana ny isany no azo tanterahana ankehitriny. Izany indrindra no antony nandraisan’ny Filohan’ny Repoblika hitsivolana, nandritra ny fotoana nahabanga ny Antenimierampirenena, izay nampihena ny isan’ny Loholona ho 18, raha 63 izy ireo ankehitriny. Tsy manan-kery avy hatrany anefa izany raha tsy mandalo fankatoavan’ny parlemantera, araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momban’ny Lalampanorenana. Izany no antony nampiantsoan’ny Governemanta fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemantera, mba entina hampandany io volavolandalàna 001/2020, ahitana ny hitsivolana mahakasika ny Antenimierandoholona.

Fitsinjovana ny volam-panjakana

Laharam-pahamehana ny fahalanian’ity volavolandalàna ity satria amin’ny volana Janoary 2021 no ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Loholona am-perinasa ankehitriny. Tsy maintsy hirosoana indray araka izany ny fifidianana Loholona, ka tsy tokony ho 63 intsony no hofidiana fa 12 sisa. Tsara marihana 6 amin’ny Loholona dia tendren’ny Filoha, fa ny 12 no ho fidiana, araka ny voalazan’ny hitsivolana. Zava-dehibe ho an’ny Firenena sy ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny, noho izany, ny fahalanian’ity volavolandalàna ity. Rehefa mihena ny volam-panjakana mivoaka makany amin’ny Antenimierandoholona, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, dia azo atao ny mampiasa vola any amin’ny tetikasa tena miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, toy ny fotodrafitrasa sy ny asa sosialy isankarazany. Midika izany fa fanatanterahana ny vina sy ho an’ny tombontsoan’ny Firenena no antony nandraisana ireny fanapahankevitra rehetra ireny fa tsy araka izay lafiny hafa iniana haely ankehitriny.

Raha tsiahivina, nisy fotoana tsy ny Antenimieram-pirenena teto amintsika. Rehefa amina vanim-potoana toy izany dia manome alalana ny Filohan’ny Repoblika ny Lalampanorenana hanao “Légiferation par voie d’ordonnance” na fandraisana rijanteny izay tokony hatao lalàna fa raisina amin’ny alalan’ny hitsivolana. Ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana anefa dia milaza fa tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Parlemantera ny Lalàna rehetra noraisina tamin’ny alalan’ny hitsivolana.
Fermer