
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
VOLLEYBALL D2 SY U20: Nandrombaka ny amboara ny GNVB vehivavy, COSFA, BI’AS sy ny ASI
Notanterahana tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara divizionina faharoa ( D-2) sy ny sokajy 20 taona na ny U-20 ho an’ny taranja Volleyball . Nandrombaka ny amboara ho an’ny diviziona faharoa sokajy vehivavy ny GNVB rehefa nandresy ny ekipan’ny ASI tamin’ny seta 3 noho 2. Niondrika teo anantrehan’ny COSFA tamin’ny seta 3 noho 1 kosa ny NADJY, ho an’ny ekipa lehilahy. Ho an’ny sokajy U20 indray dia lasan’ny BI’AS tamin’ny seta 3 no 1 nanoloana ny GNVB ny amboara, sokajy vehivavy. Mbola niondrika teo anatrehan’ny ASI kosa ny zandary lehilahy na ny GNVB. Nisaraka tamin’ny seta 3 no 1 ny ekipa roa tonta.
Tonga nanatrika sy nanome voninahitra io fotoana io moa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Rasambany Alain Désiré. Nanotrona azy tamin’izany ny mpiara-miasa aminy. Ny Minisitra no nanolotra ny amboara ho an’ireo nivoaka mpandresy. Io no fidinana voalohany notanterahan’Atoa Rasambany Alain Désiré amin’ny maha Minisitra azy. Nandritra ny lahateny nataony, araka izany, dia nohamafisiny ny fahavononan’ny Minisitera hanohana ara-kevitra, ara-potodrafitrasa sy ara-bola ny atleta. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mahakasika ny lalan-tsaina tokony ho entin’ny tanora sy ny mpikatroka fanatanjanatena amin’ny fahaizana mifampizara ny traikefa sy ny fahombiazana amin’ny namana, amin’ny mpiara-monina, ho enti-mampandroso an’i Madagasikara.
S.S




