PolitikaSongadim-baovao
VONDRONA AFRIKANINA: Any Addis-Abeba ny Filoha Rajoelina hifidy izay ho Filoha vaovaon’ny Vaomiera
Taorian’ny nanatrehany ny fihaonana an-tampony maneran-tanin’ireo governemanta (Sommet WGS) tany Dubaï dia nihazo avy hatrany an’i Addis-Abeba, renivohitr’i Éthiopie, ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo delegasionina miaraka aminy, hanatrika ny Fihaonana an-tampony faha-38-n’ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, izay hotanterahina ny anio 15 sy faha-16 febroary. « Justice pour les africains et les personnes d’ascendance africaine par le biais des réparations ». Io no lohahevitra hodinihana mandritra izany. Ity fihaonana ity no hanamarika ny fiantombohan’ny fampiharana io lohahevitra io mandritra izao taona 2025 izao. Miroso, araka izany, i Afrika amin’ny fikatsahana ireo fanonerana ireo takaitra navelan’ny tantara, dia ny fanjanahantany sy ny fanaovana ampimamba ny harenany. Ankoatra ireo, maro koa ireo sehatra stratejika, izay tafiditra ao anatin’ny lahadinika mandritra izao fihaonana izao, ka anisan’izany ny fandinihana ny fandrosoan’ny fanatanterahana ny Agenda 2063, ny fanafainganana ireo tetikasam-pampandrosoana ara-toekarena sy ny fanamafisana ilay « zone de libre échange » eto Afrika. Ny tena andrasan’ny mpanara-baovao maneran-tany, ary hanamarika manokana izao fihaonambe faha-38 ny Vondrona Afrikanina izao, dia ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny kaomisiaon’ny Vondrona Afrikanina.
Handray anjara hifidy ny Filoha Rajoelina
Ho fantatra amin’izao faran’ny herinandro izao, araka izany, izay hisolo an’ilay teratany tchadiana, Moussa Faki Mahamat. Handray anjara amin’izao fifidianana izao avokoa ireo Filoham-pirenena rehetra eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ankoatra ireo firenena miisa enina, izay voatery naato ny maha mpikambana azy vokatry ny fandraisam-pahefana tsy manaraka ny fenitra demokratika nataon’ireo miaramila. Isan’ny handray anjara amin’izany fifidianana izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Filoha Andry Rajoelina. Manana kandida rahateo ny Firenena Malagasy dia ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola teo aloha Richard Randriamandrato ka hifaninana aminy amin’izany fifidianana izany ilay teratany kenyana, Raila Odinga sy ilay djiboutien Mahamoud Ali Youssouf. Ity solontenan’i Madagasikara ity dia nahazo ny fanohanana feno avy amin’ny Vondron’ireo firenena mikambana eo anivon’ny SADC ary naneho ampahibemaso izany fanohanana izany, tamin’ny alalan’ny fanambarana nivoaka ofisialy ny harivan’ny alakamisy 13 febroary. Efa maro koa ireo firenena sy filoham-pirenena naneho ny fanohanany an’i Richard Randriamandrato ka singanina amin’izany ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (Francophonie).
Fiovan-drafitra goavana…
Voalohany teo amin’ny tantara moa no misy teratany malagasy milatsa-kofidina amin’ny toerana ambony eo anivon’ny Vondrona Afrikanina tahaka izao. Raha lany soa aman-tsara, araka izany, i Richard Randriamandrato dia izy no Malagasy voalohany hisahana izany toerana ambony dia ambony izany. Hisy fiovam-pitantanana sy fiovan-drafitra goavana, araka izany, eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, aorian’izao Fihaonana an-tampony faha-38 izao. Raha ny fandaharam-potoana, omaly folakandro no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Addis-Abeba ny Filoha Andry Rajoelina, miaraka amin’ireo delegasionina tarihiny. Efa ao an-toerana ihany koa ny Ministry ny raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, i Richard Randriamandranto, kandidan’i Madagasikara amin’ny fifidianana ny filohan’ny kaomision’ny Vondrona Afrikanina sy ny mpanolotsaina manokan’ny filoha Patrick Rajoelina. Rahampitso amin’ny folo ora maraina kosa ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ity Fihaonana an-tampony faha-38
Rado Harivelo




