Songadim-baovaoToekarena
VONDRONA “ESANANDRO” SY “ETECH CONSULTING”: Miverina misokatra ankoatran’ny « La Balançoire »
Taorian’ireo resabe niely teny amin’ny Tambazotran-tserasera mahakasika ny voalaza fa fikatonan’ny Vondron’orinasa “Esanandro” sy “Etech consulting”, dia nampiantso mpanao gazety omaly ny tomponandraikitra eo anivon’ireo orinasa ireo. Izy ireo izay nanazava ny antsipiriany tamin’ny zava-nitranga teo anivon’ny orinasa ka nahatonga io voalaza fa fanakatonana io. Notsiahivin’i Tahina Razafindramalo, izay isan’ny manana petra-bola eo anivon’ny orinasa, fa tamin’ny volana Aogositra 2025 dia nisy disadisa nitranga tao amin’ny toerana filanonana iray teto an-drenivohitra, izay naha voasaringotra an’i Illias El Quadri sy Roland Ardile. Io tranga io no nampisokatra ireo karazana fanadihadiana nataon’ny manampahefana sy mpitandro ny filaminana.
Nomarihiny fa tsy mbola nanana andraikitra ofisialy tao amin’ny Vondron’orinasa eSanandro na tao amin’ny eTech Consulting mihitsy i M. Illias El Quadri. Ny fanadihadiana nataon’ny manampahefana kosa dia nampivoitra ny ahiahy amin’ny mety ho nandraisan’i Illias El Quadri anjara tamin’ny trafikana zava-mahadomelina, ka nitarika ny fanakatonana vonjimaika ireo orinasa sasany anatin’ny vondron’orinasa, anisan’izany ny « La Balançoire ». « Mbola mitohy ny fanadihadihana, ary matoky tanteraka ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana izahay mba hitondra fanazavana marim-pototra momba ity resaka ity », hoy ny fanazavana teo anoloan’ny mpanao gazety omaly.
Nanomboka omaly moa dia miverina nisokatra indray ny toeram-piasan’ny Vondrona eSanandro sy ny eTech Consulting ary miverina manohy ny asa andavanandro, ankoatran’ny “La Balançoire sy ny eVTC »,.
Mpiasa maherin’ny 400
Tsara ho fantatra fa niorina tamin’ny 2018 ny Vondron’orinasa eSanandro, ary mampiasa mpiasa maherin’ny 400 isa amin’izao fotoana izao amin’ny sehatra maro: eVTC (vahaolana fitaterana sy fandefasana entana), Beepeeoo (foibe fifandraisana), La Balançoire (trano fisakafoanana sy lounge), Mantasoa Lodge (fandraisam-bahiny), eSanandro (tsenambarotra an-tserasera).
Niorina tamin’ny 2009 kosa ny eTech Consulting, orinasa manam-pahaizana amin’ny vahaolana nomerika, mampivondrona injeniera informatika 500 mahery, izay isan’ny betsaka indrindra eto amin’ny ranomasimbe Indianina.
Manameloka ny herisetra
Manoloana ireo tranga ireo dia niantso fivoriambe i Tahina Razafindramalo niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eto amin’ny Vondron’orinasa eSanandro sy eTech. Nampahatsiahiviny mazava fa ny trafikan-drongony dia voararan’ny lalàna ary tsy mifanaraka velively amin’ny soatoavina Malagasy. Manameloka tanteraka koa ireo endrika herisetra sy fanimbana fananan’olona.
Nangonin’i LR.



