Songadim-baovaoSosialy
VONDRONA FREE: Niavaka ny fankalazana ny faha-14 taona ny Onjampeo Free Fm
Vahiny tompon-trano nasaina nandritra ny fankalazana ny faha 14 taon’ny Onjampeo Free Fm, omaly, ny filoha Tale jeneralin’ny Vondrona Free, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Notsiahiviny fa ny taona 2011 no niantombohan’ny onjampeo Free Fm, ary ordinatera iray no nampiasaina tany am-boalohany. « Finiavana no tena nanombohana ary nivoy politika kokoa tany am-piandohana, saingy niova ny teny filamatra taty aoriana ka nanjary « ilay onjampeon’ny kolontsaina », hoy izy nanazava. Nasongadiny fa manao politika hatrany izy, ary 5 taona latsaka 2 volana no nitantanany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Antony nahatonga azy nifidy ny 104.2 ho lasa onjampeon’ny Kolontsaina, dia satria tsy ampy ny fanabeazana ara-kolontsaina. Ny zavakanto isan-karazany, izay marobe, dia andao trandrahina, ary misy ny soatoavina tiana voizina, hoy hatrany ny filoha Tale jeneralin’ny Vondrona Free, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tsy niolaka izy nanambara fa tsy hampanankarena ny resaka haino aman-jery, fa tena resaka fitiavana izy ity. Olana be aza ny miandry amin’io resaka haino aman-jery. Saingy, tsy nampiova ny fitiavana nivaivay tao anatin’ny filoha tale jeneralin’ny Vondrona Free izany. Mila iadiana, hoy izy, ny habadoana na tsy fahaizana, amin’ny alalan’ny haino vaky jery, indrindra ny lafiny kolontsaina, izay zavatra tsy mirefarefa amin’ny tany.
Efa teraka ny Free Tv…
Nasiany teny manokana nandritra ny fankalazana ny tsingerintaon’ny Onjampeon’ny Free Fm omaly, fa antsoantson’ny olona 2016, ny hanokafana ny Free Tv. Tamin’io daty io no efa tokony ho nanomboka, saingy sivy taona aty aoriana vao tafajoro ary anatina fahafaham-po tanteraka ny filoha tale jeneralin’ny Vondrona Free, amin’ny fahaterahan’ny Free Tv. « Andeha amin’ny Canal+ tsy ho ela ity fahitalavitra Free Tv ity. Miompana kokoa amin’ny kolontsaina sy ny fandraharahana ny fandaharana. Ny olona tilina dia ny tanora ka mila tezaina amin’ny tia karokaroka ny tanora, izay anton’ny fandaharana ara-pandraharahana », hoy hatrany izy nanazava.
Tsy misy fandaharana avy any ivelany no alefa ao amin’io fahitalavitra. Ny fandaharana andeha amin’ny onjampeo, dia ho hita amin’ny fahitalavitra. Mahazo tombony avokoa ny rehetra araka ny fanazavan’ny filoha Tale jeneralin’ny Vondrona Free. Naniry izy ny mba hamirapiratan’ny Free Tv sy ny onjampeo ary ny gazety Free News ho an’ny 14 taona manaraka. Nambarany fa mifampiankina ny Onjampeo, ny gazety ary ny fahitalavitra. Tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny tambazotra an-tserasera ara-tsosialy ka efa miditra ao anatin’izay koa, ny Free Fmn, raha ny fanampim-panazavana. Nisaorany manokana kosa, ireo vahiny tonga nanoina ny antso. Tsy nohadinoany nandritra iny fotoana miavaka iny ny fanapahana mofomamy nenti-nanamarihana ny fankalazana.
Rado Harivelo




