Songadim-baovao

VONDRONA FREE: Tsy diso anjara tamin’ny fampahafantarana ny Lf 2020-006

Paikady napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nampahafantarana ny Lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, laharana 2020-006, ny fitetezana ireo orinasa fanaovan-gazety rehetra eto Antananarivo. Maro ireo efa nanatanterahana izany, saingy ny talata 08 Desambra teo kosa no anjaran’ny teto anivon’ny Vondrona Free, ahitana ny onjampeo Free Fm sy ny gazety Free News. Nitarika ny delegasion’ny Minisitera ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, izay nilaza fa “azonay natao tsara ny namory ny mpanao gazety rehetra tamina toerana iray mba hampahafantarana ity lalàna ity, saingy saifidinay mihitsy ny hitety ny Desk rehetra mba hahafahana mifanankalo hevitra sy mitondra fanazavana bebe kokoa”.

Araka izany, nitondra fanazavana ho an’ny mpanao gazety teto anivon’ny vondrona Free ny minisitra tomponandraikitra. Fotoana izay nanambarany fa teto anivon’ny onjampeo Free Fm mihitsy no nanombohan’ny fivoriana sy ny hetsika “Mouvement pour la Liberté d’Expression” na ny MLE tamin’ny fotoan’androny. Hetsika izay efa nahitam-bokany ankehitriny satria efa voahitsy ireo andininy naneritery ny mpanao gazety tamin’ilay Lalàna 2016-029 teo aloha.  Notsipihin’ny Minisitra fa miantoka feno ny fiarovana ny mpanao gazety ity lalàna vaovao mifehy ny serasera ity, izay efa manan-kery ankehitriny. Teboka misongadina ao amin’ny lalàna ny tsy fisian’ny famonjana mpanao gazety intsony, raha toa ka fahadisoana noho ny asany no nataon’ilay mpanao gazety. Tsy mahatonga ny mpanao gazety ho ambonin’ny lalàna kosa anefa izany, hoy ny minisitra. Izany hoe, raha heloka tsotra, na heloka hafa ivelan’ny asa fanaovan-gazety dia tsy voaaron’ny Lf 2020-006 mihitsy ilay mpanao gazety fa mitovy amin’ny olom-pirenena rehetra ihany.

Nofaranana tamin’ny fizarana ny boky mirakitra ny lalàna sy ny fakana sary iombonana ny fihaonana ny talata teo.

Fermer