
PolitikaSongadim-baovao
VONDRONA PARLEMANTERA ENY AMIN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA: Mitohy ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra hisian’ny fifampihainoana
Namoaka fanambarana ireo Solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimierampirenena, androany. Ireto farany, izay nilaza mahatsapa fa kihon-dalana amin’ny tantaran’ny firenena izao zava-misy ankehitriny izao. Mahita ihany koa fa ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina no soatoavina lehibe indrindra, ary mametraka fa tombontsoa ambonin’ny vahoaka sy ny firenena no zava-dehibe. Ny vondrona parlementera rehetra ao amin’ny Antenimierampirenena dia miezaka hatrany ny mitady vahaolana hisian’ny filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena, ka niroso tamin’ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra. Fantatra hatramin’ny androany anefa, fa mbola mitohy izany ho tombontsoa iombonana dia ny hisian’ny fifampihainoana sy ny filaminana no kendrena, satria tsy misy mahazo tombony amin’ny korontana.
Araka izany, resy lahatra ireo Solombavambahoaka rehetra eo anivon’ny Antenimierampirenena fa ny fanajana ny Lalàmpanorenana ihany no hahafahantsika miala amin’izao toe-draharaha saropady izao. Noho izany, araka ny andininy faha-45 amin’ny Lalàmpanorenana, dia nohamafisin’ny fanambarana nataon’izy ireo, fa « Ny Filohan’ny Repoblika no miantoka amin’ny fanelanelanana ny fampandehanana ara-dalàna sy mitohy ny fahefam-panjakana, ny fahaleovantenam-pirenena sy ny maha iray tsy misy anombinana ny tanindrazana. Izy no mitandro ny fiarovana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena eto an-toerana na ny any ivelany, ary miantoka ny firaisam-pirenena ». Nambaran’izy ireo ihany koa, fa ho fanajana ny lalàna manan-kery araka ny voafaritry ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54 dia ny Solombavambahoaka maro an’isa no manolotra ny ho Praiminisitra, kanefa, noho ny toe-java-misy ankehitriny dia nosokafana amin’ny vondrona parlementera hafa izany, ho mariky ny fisokafana izay hotohizina hatramin’ny fananganana governemanta.
Niangavy ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena izy ireo, mba samy handray anjara amin’izany, hirosoana amin’ny fanarenana haingana ny firenena. Nomarihan’izy ireo, fa ny Solombavambahoaka eny amin’ny Antenimierampirenena dia mandàla mandrakariva ny fifampiresahana eo amin’ny rehetra, mba hisian’ny filaminana sy hiverenan’ny tsirairay amin’ny asa fameloman-tena sy ny fampandehanan-draharaha.
Ny Fanoratana.



