PolitikaSongadim-baovao

VONDRONA SADC – « RISDP 2020-2030 » : Hiadian-kevitra ny hanamafisana ny fifandraisan’ny samy mpikambana

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’ny fivoriamben’ny SADC tanterahina eto amintsika ny « Réunion des hauts fonctionnaires et d’experts sur le « RISDP 2020-2030 », izay nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny CCI Ivato , ary hitohy anio. Marihina fa efa fomba fanao isaky misy fihaonana an-tampon’ny SADC, na Vondrona aty Atsimon’i Afrika misahana ny fampandrosoana, ity fivoriana ity.

Ireo teknisiana avy amin’ny andrim-panjakana maro samihafa ao anatin’ireo Firenena 16 mandrafitra ny SADC toy ny minisitera, no mandray anjara. Ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, no mitarika ny delegasionina malagasy ao anatin’izany. Izy rahateo no handray ny toeran’ny « Président du comité permanent des hauts fonctionnaires » eo anivon’ny SADC.

Fanaovana tombana

Teboka roa lehibe no tena iompanana’ny lahadinika mandritra ny roa andro, dia ny fanaovana tombana antomotra ezaka mikasika ny fanatanterahana ny drafitra stratejika RISDP (Plan Indicatif Régional de Développement Strategique)  hoentina manatratra ireo vina ao anatin’ny « Vision 2050 ». Ny faharoa kosa dia ny fanetsehana ireo loharanom-bola eo anivon’ny SADC mba hahafahana mamatsy ireo tetikasa fampandrosoana ao anatin’ny faritra iray manontolo.

Ny sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny SADC, Angele Makumbo N’Tumba, no nanokatra ny fandraisam-pitenenana. Nambarany fa ny fanamafisan’ny fifandraisana eo anivon’ny SADC no tena iompananan’ny ady hevitra mba hamaritana ny hoavin’ny faritra iray manontolo. Tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fahantrana, ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekareana, sns.

Fanodinam-bokatra

Namarana ny fandraisam-pitenenana tao anatin’ny lanonam-panokafana ny filohan’ny « comité permanent des hauts fonctionnaires », Albert Ranganai Chimbindi, izay sekretera maharitra eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny raharaham-barotra iraisam-pirenena ao Zimbabwe. Nandritra io fotoana io no nanamafisany ny maha zava-dehibe ny fanaovana ny tombana amin’ny RISDP mba hahafahana mandrefy ny asa vita sy mitondra fanatsarana ho fanatrarana ny tanjona napetraka.

Anisan’ny nambaran’ity farany fa mila hiadian-kevitra ohatra ny sehatry ny fanodinam-bokatra, izay tena mbola latsa-danja. Torak’izany koa ny faharefoan’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny samy firenena mpikambana. Raha ny lafiny ara-bola indray dia nambaran’ity tomponandraikitra ity fa mbola miankin-doha amin’ny famatsiam-bola avy any Ivelany foana ireo firenena mpikambana noho ny vola azo avy amin’ny hetra tsy mahasahana ny filana ao anatin’ny Faritra.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer