Songadim-baovaoToekarena
VONDRONA « SODIAT » : Manampy amin’ny ady amin’ny tsy fananana asa
Ny taona 1990 no niforona ny orinasa Sodiat. Sehatra tokana no niseharany tamin’izany, dia ny tontolon’ny fitaterana. Misongadina anefa ny ezaka sy ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo mpiara-miasa rehetra tao anatin’izany 35 taona nisiany izay, ka ankehitriny dia efa misandrahaka amina sehatra maro ny Sodiat, izay lasa Vondrona orinasa Sodiat. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny Fizahantany, ny “Immobilier”, ny Asa fanaovan-gazety sy haino aman-jery, ny Fahasalamana, ny Fanondranana, ny fitaterana an’habakabaka, ny Asa vaventy sy ny fanamboarana trano, ny Transit, sy ny maro hafa.
Amin’izao taona 2025 izao dia mbola manamafy io anjara toerana raisina amin’ny fampananana asa eto Madagasikara io ny Vondrona Sodiat. Hoy indrindra ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat, andriamatoa Maminiaina Ravatomanga : “Reharehako amin’ny maha filoha mpanorina ny Groupe Sodiat ahy ny mitondra ny « Vinan’ny fampandrosoana maharitra sy tompon’andraikitra ho an’i Madagasikara ». Manoloana ny fanamby ara-tsosialy sy ara-toekarena, dia hita taratra ny fahavononantsika amin’ny famoronana asa manerana ny nosy. Mino aho fa ny hoavy mamiratra dia mifototra amin’ny tetikasa mazava sy azo tanterahina, izay manampy amin’ny ny fandrosoana sy ny fivoaran’ny tsirairay eto an-toerana”.
Ny Fanoratana.



