PolitikaSongadim-baovao
VONDRON’NY KANDIDÀ : Mitady rà mandriaka!
Nibaribary tanteraka ny fikasana hanakorontana ataon’ireo Vondron’ny Kandidà 10 niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy ireo, tamin’ny sabotsy teo. Nifanaiky mantsy ireto kandidà tsy te hiroso amin’ny fifidianana ireto fa ho atao mafimafy kokoa ny tolona amin’ity herinandro ity, ary tsy hifarana izany raha tsy tonga eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey. Voaporofo izany izao fa tsy fahafahana fanehoan-kevitra araka ny nohirahiraina hatramin’izany no notadiavina fa fanakorontanana sy fanonganam-panjakana mihitsy. Hoy indrindra mantsy ny Kandidà Marc Ravalomanana tao anatin’ny fandraisam-pitenenany hoe « teo amin’ny 13 Mey no nanonganany ahy tamin’ny 2009, dia eo koa no anoganantsika azy ». Ireo rehetra nifandimby fitenenana koa dia nanamafy ny tsy maintsy handehanana eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey amin’ity herinandro ity, izay nambaran’izy ireo fa hamaranana ny tolona. Ny nanamarika ny hetsiky ny Vondron’ny Kandidà ny sabotsy teo aza dia ny fahitana ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo, izay nanotrona ireto Kandidà ireto, ary nilaza mazava mihitsy fa manana ny fanalahidy hahafahana miditra amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Ity farany izay isan’ireo toerana tsy azo anaovana famoriam-bahoaka, eny fa na mandritra ny fampielezan-kevitra aza, indrindra moa fa hetsika politika, mba hitandroana ny filaminam-bahoaka, araka fampitam-baovaon’ny Prefe. Ny fisisihana hiditra eny an-toerana, noho izany, dia fanaovana sorona mivantana ny vahoaka malagasy, noho ireo mpitandro filaminana tsy maintsy handray fepetra.
Nilatsaka tanteraka ny sarotava! Ny hisian’ny rà mandriaka mihitsy no tanjon’ireo Vondron’ny Kandidà mba hanomezana rariny ny tolona, izay hita fa filàmboatsiary sy fikatsahana fahefana ivelan’izay voalazan’ny Lalàmpanorenana fotsiny ihany. Hatreto, tsy misy manana marina ny handravana ny Governemanta mihitsy, toy izany koa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) satria araka ny lalàna avokoa ny nananganana ireo rafitra ireo, araka ny efa nambara ombieny ombieny. Mba tsy ivoahana amn’ny voafaritry ny lalàna dia tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika i Madagasikara amin’ny 16 Novambra 2023 izao. Ka fotoana mbola tokony hisian’ny korontana sy ny rà mandriaka indray ve izao?
Ny Fanoratana.




