SamihafaSongadim-baovaoSosialy
VONDRON’NY MPIANGALY TANTARA : Notolorana mari-boninahi-pirenena momba ny kanto sy ny soratra ireo nahavita be
Lalan-tsaina vaovao napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’izao fotoana ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpanankanto nahavita be teo amin’ny sehatra nisy azy. Nandritra ny taona maro, saika efa nodimandry foana ny mpanakanto iray vao tolorana mari-boninahitra. Tsy tahaka izany kosa ny fomba fiasa ankehitriny fa valiana dien’ny fahavelony ny asa sy ezaka ataon’ny mpanankanto. Nahazo ny anjarany tamin’izany ireo 10 mianadahy avy ao amin’ny Vondron’ny Mpiangaly Tantara, omaly.
Olona maherin’ny fito tapitrisa isanandro no mihaino tantara amin’ny onjampeo eto amintsika. Mbola nitombo io antontanisa io nandritra ny vanim-potoan’ny fihibohana noho ny tsy fivoahan’ny olona ny trano, ka nampitombo isa ireo mpihaino onjampeo. Entina hilazana fa mitana anjara toerana lehibe eto amintsika ny tantara. Antony naharesy lahatra ny teo anivon’ny Minisitera hankasitraka ireo nahavita be tamin’izany. Tontosa omaly tetsy amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara Anosy, araka izany, ny lanonana nanolorana ny mari-boninahi-pirenena momba ny Kanto sy ny Soratra ary ny Teny ho an’ireo mikambana eo anivon’ny vondron’ny mpiangaly tantara (VMT). Nitarika izany lanonana izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, notronin’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo mpikambana ary mpisehatra amin’ny filalaovana tantara amin’ny onjam-peo. Mpikambana miisa 10 ao anatin’ny VMT na Vondron’ny Mpiangaly Tantara no notolorana izany mari-boninahi-pirenena izany. Ny 4 amin’izy ireo nahazo ny Officier de l’ordre des Arts, des Lettres et de la Culture, raha toa ka Chevalier de l’ordre des Arts, des Lettres et de la Culture kosa no azon’ny 6 ambiny.
Fangatahana mari-boninahi-pirenena
Tanjona apetraky ny VMT ny hanome hasina ny tantara ho fialam-boly, fanabeazana ary soatoavina. Himasoan’izy ireo ihany koa ny atrikasa fanatsarana ny haifanoratana sy ny fanatontosana ary filalaovana ny tantara fihaino sy ny sombin-tantara ary angano. Nohamafisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, fa anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Minisitera izay tantaniny ny hanome voninahitra ireo mpanan-talenta tsy ankanavaka manerana ny Nosy. Ho jerena manokana izy ireo amin’ny alalan’ny ezaka ataony, hanandratana hatrany ny kolontsaina Malagasy marolafy. Fotoana izay nanindrian’ny Minisitra fa tsy hoe izay tian’ny Minisitera omena ny mari-boninahi-pirenena akory no omena fa ireo izay manao fangatahana. Na amin’ireo izay manao fangatahana koa aza anefa, mbola sivana sy fanadihadiana maro atao mialohan’ny hanolorana mari-boninahi-pirenena ho an’ny mpanakanto iray. Anisan’ny fanamby goavana napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany ny hamoahana ny Politika Nasionalin’ny Kolontsaina, izay handalo ho dinihina eny anivon’ny Andrimpanjakana mpanao lalàna, ny volana Mai 2021.




