PolitikaSongadim-baovaoSosialy
VONDRON’NY MPIASA SY MPAMPIASA: Mitaky ny hanatsaharana ny Grevy sy hanokafana tsy misy fepetra ny Cnaps
Sady tsy mitombina no tsy ara-dalàna intsony ny fitokonana ataon’ny sendikan’ny Mpiasan’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ankehitriny, raha ny fanambarana nataon’ny Vondron’ny mpiara-miombona antoka ara-tsosialin’ny Cnaps, omaly, ahitana ireo vondron’ny mpiasa sy mpampiasa isan-karazany. Ny fitakiana ny famoahana ny Tale jeneraly mpisolo toerana teo anivon’ny Cnaps izay naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaham-pitsarana naha voasaringotra azy no anton’ny fitokonana, iray volana lasa izay, hoy ny fanazavana. Ny 6 jolay 2023 anefa, nivoaka ny didy izay nahazoan’ity tale jeneraly mpisolo toerana ity fahafaha-mivoaka ny fonja ary lasa eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Raha ny tokony ho izy, araka izany, dia nifarana hatreo ny fitakian’ireo sendikan’ny mpiasa. Ny mahagaga anefa, hoy Thierry Rajaona, izay nitondra ny teny tamin’ny fanambarana omaly, dia mbola nitohy ihany ny fitokonan’ireo mpiasa. Ary anton-javatra hafa indray no voalaza fa natao anton’ny fitokonana. Eo anatrehan’izany, nilaza ireto mpiara-miombona antoka ara-tsosialin’ny Cnaps ireto fa tsy voarara velively ny fanaovana fitokonana, saingy misy lalàna mifehy izany eto amintsika. Ka ny fitokonana izay ataon’ny sendikan’ny mpiasan’ny Cnaps ankehitriny dia tsy manara-dalàna intsony no sady tsy mitombina.
Fanaovana tantely afa-drakotra
Sahirana tanteraka ireo mpila raharaha eo anivon’ny Cnaps ankehitriny noho ny fitokonana lavareny ataon’ny Mpiasa. Tsy vitsy ireo zokiolona miala vao maraina avy lavitra hisitraka fisotroan-dronono kanefa miveri-maina fotsiny rehefa tonga eny amin’ny Cnaps noho ny Grevy. Eo koa ireo tokony handray ny volan-jaza izay tsy afaka misitraka izany. Nambaran’ireo nanao fanambarana omaly, fa hafahafa ny fipetraky ny fitokonan’ny mpiasa ankehitriny, satria raha toa ka fanatsarahana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volan’ny Cnaps no antony, dia tsy izy ireo mihitsy no tsara toerana hanao ny fitakiana izany fa ny Filankevi-pitantanana, sy ireo mpandoa latsa-kemboka, dia ny mpiasa sy ny mpampiasa ary ireo orinasa. Misy, noho izany, ny ahiahy ambadika politika amin’izao tranga izao.
Niantso ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana foibe amin’izao toe-javamisy izao ihany koa ny vondron’ny mpiara-miombona antoka ara-tsosialin’ny Cnaps noho ny fahasahiranan’ireo mpila raharaha ao aminy. Anisan’izany ny tokony hanendrena ny Tale Jeneralin’ny Cnaps. Ary koa ny fanavaozana ny rafitra sy ny fomba fitantanana eo anivon’ny Cnaps mihitsy, mba tsy hisian’ny fivoahan’ny vola amin’ny fampiasam-bola ivelany, izay mamparefo ity orinasam-panjakana ity. Eo koa ny tokony hanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy hifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna ao amin’ny “Conférence interafricaine de la Prévoyance sociale – CIPRES”, izay maha mpikambana an’i Madagasikara.
Tsara ho fantatra fa isan’ireo nanao fanambarana omaly ny “Groupement des Entreprises de Madagascar – GEM », ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy – FIVMPAMA, ary ny « Conférence des Travailleurs de Madagascar – CTM ».



