Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VONO MIHARO HABIBIANA : Voasambotra ilay lehilahy nanatsatotsatoka antsy ny olon-tiany
Notsatotsatohan’ilay tovolahy sakaizany ny antsy ilay tovovavy vao erotrerony, tao Toamasina ny 13 avrily 2025. Tsy nananany antra mihitsy fa dia tsatok’antsy miisa 13 no saika namonoany ho faty ity olon-tiany. Miady aman’aina ilay tovovavy, taorian’ny nanaterana azy teny amin’ny Hopitaly. Fantatra fa nitsoaka nandositra kosa, ilay lehilahy nahavanon-doza, taorian’ity vono miharo habibiana nataony ity. Namoahan’ny Polisim-pirenena_tao Toamasina « Filazana fikarohana » izy. Nanomboka teo, araka izany, ny fikarohana azy. Fantatra fa misitri-belona ao amin’ny faritra iadidian’ny Zandarimaria Ampitatafika izy, ka natao izay fomba hahafantarana ny misy azy. Nifanome tanana tamin’ny Zana-tobim-paritra Ampitatafika ny Sampam-pikarohana heloka bevava avy ao Toamasina sy ny kaomisarian’i Toamasina. Ny zoma lasa teo, no tra-tehaka tao amin’ny trano niafenany tao Ambohijafikely, fokontany Atsimombohitra, kaominina ambanivohitra Ampitatafika izy, rehefa narahimaso akaiky sy nanaovana tsongo dia. Tonga naka azy tao amin’ny Biraon’ny zandarimaria Ampitatafika ny Polisim-pirenena Toamasina. Aorian’ny fanadihadiana hotanterahina azy, dia tsy maintsy hiakatra fampanoavana izy, vokatry ny heloka vitany. Ny famotorana, dia tontosaina any Toamasina. Mitohy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena, indrindra amin’ny famongorana ny olon-dratsy, izay fahavalo eny anivom-piarahamonina tahaka izao.
Pierre M.




