PolitikaSongadim-baovao
« YOUTHCONNEKT 2025 »: I Madagasikara no handray ny andiany fahavalo, firenena 37 ho avy handray anjara
Tsy nisalasala fa avy hatrany dia nitodika taty amin’i Madagasikara ny mason’ireo firenena Afrikana mpiray kaontinanta amintsika, amin’ny fandraisana ny andiany fahavalo ny hetsika « YouthConnekt » ny taona 2025 ho avy io. Noho ny hakanton’i Madagasikara, fa indrindra ny tanjaka ara-diplaomasia ananan’ny Filoha Rajoelina Andry, aty Afrika, no anisany naharesy lahatra azy ireo, izay fandresena sahady ho antsika…
Voandalana goavana no azontsika avy amin’ny adisisika nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Moustapha Marson Abdulah, tany Kigali Rwanda, izay niatrika ny « YouthConnekt » andiany fahafito tany an-toerana, niaraka tamina tanora maro. I Madagasikara no voafidin’ireo firenena 37 mivondrona anatin’ny « Youth Connekt » handray ny andiany fahavalo amin’ity hetsiky ny tanora Afrikanina ity, ny taona 2025 ho avy io. Na maro aza, ireo firenena efa maniry handray azy io, toa an’i Zambia sy Cameroun, sy ny sisa, dia tsy naharesy lahatra ny maro an’isa izany, fa taty amin’i Madagasikara no nandrian’ny saina sy ny fon’ny rehetra. Nambaran’ny Minisitra, Moustapha Abdulah, fa noho ny fananan’ny Filohan’ny Repoblika ny haitarika sy ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena azy, fa indrindra ny fananan’ny Filohan’ny Repoblika malagasy ny diplaomasia matanjaka aty Afrika, no nahazoana izao vokatra tsara izao. Voninahitra ara-diplaomadika ho an’ny firenena Malagasy izany, ary reharehantsika Malagasy ihany koa. Marihina, fa ny fahitan’i Afrika ny hakanton’i Madagasikara sy ireo tontolo mahaliana misy ao aminy, no naharesy lahatra ireo firenena maro aty Afrika hanohana an’i Madagasikara handray io hetsika manaraka io.
Fandaharanasan’ny Filoha Rwandais
Fandaharan’asan’ny Filoham-pirenen’i Rwanda, Paul Kagame, nanomboka ny taona 2012 ny « Youth Connect », raha tsiahivina. Izany dia nentiny hampivondronana ny tanora Afrikanina rehetra mandritra io fivoriam-be io. Tamin’ny famelabelarany ny antony nandrisika azy hanangana io hetsika goavana ho an’ny tanora aty Afrika io, no hahafahan’ny tanora aty amin’ny lafy valon’i Afrika hifankahery sy hifanakalo hevitra, ary hanangana ny hoavin’ny Kaontinanta Afrika ara-barotra sy arak’asa, ary fikarohana sy ny sisa. Izany dia nankatoavin’ny « Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana » (PNUD). Firenena 37 amin’ny 54 aty Afrika no efa mpikamban’ity hetsika « Youth conneckt » ity, ary sambany nisy firenena avy amin’ny tany miteny frantsay mandray azy io, satria tanjona voalohany ny hahafahana manatanteraka ny fandaharanasan’i Afrika, faharoa hanatrarana ny « Dina ho avin’ny tanora » izay nolaniana tany amin’ny dinika hoavin’ny « New york » ny septambra lasa teo. Tombony ho an’i Madagasikara sy ny tanora malagasy ity hetsika ity, satria hampisokatra fiaraha-miasa ho an’ny Afrikanina sy isika malagasy.
Tanora hatramin’ny 25 000 no andrasana…
Tanora Afrikanina 20 000 ka hatramin’ny 25 000 avy amin’ny firenena 37 no andrasana ho tonga eto Madagasikara mandritra io fotoana io. Tombony ara-toekarena sy ara-kolontsaina ho an’i Madagasikara io hetsika horaisintsika eto io, satria hanasongadina ireo talenta sy Kolontsaina malagasy, hampiditra vola vahiny, ary hampisy asa maro, hoy ny Minisitra. Tanjon’ny hetsika ny haha Afrika matanjaka maneran-tany, noho izy manana tanora maro avara-pianarana sy manana traikefa m aro. Ary tombony ho an’i Madagasikara ny hahafahan’ny tanora miteny sy mitarika, ary indrindra hanokatra ny varavaran’i Madagasikara hisian’ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana. « Fanomezana asa ho an’ny tanora noho ny fiofanana ho azy ireo » no lohahevitra tamin’ny hetsika farany teo, raha mbola hodinihina mandritra ny filan-kevitry ny governemanta sy ny Filohan’ny Repoblika, ary handraisana ny hevitr’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, ny lohahevitra ny taona 2025.
Nangonin’i Stan R.




