Songadim-baovao

ZANAK’AMBOHIMANGA : Namboly zana-kazo anjatony tamin’ny lalan’ny Mpanjaka

Nanatontosa fambolen-kazo ny zanak’Ambohimanga teny amin’ny lalan’ny Mpanjaka teny Ambohimanga Rova, ny sabotsy lasa teo. Nitarika ny fotoana sady namarana ny fambolen-kazo notanterahiny, tamin’ity taona ity, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Niara-dalana taminy teo koa, ny Mpanolotsain’ny Filohan’ny Repoblika, ny Jly Ravalomanana Richard, sady Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, teo aloha. Anjatony ireo zanakazo novolena teny an-toerana…

Isan’ireo tonga namboly hazo ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana.

Nanatanteraka fambolen-kazo ny zanak’Ambohimanga teny amin’ny lalan’ny Mpanjaka teny Ambohimanga Rova, ny sabotsy lasa teo. « Mirehareha fa zanak’Ambohimanga ». Io no teny niarahan’ny zanak’Ambohimanga Rova naneho firaisan-kina, tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Nitarika ny fotoana sady namarana ny fambolen-kaza notontosainy, tamin’ity taona ity, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Niara-dalana taminy teo koa, ny Mpanolotsain’ny Filohan’ny Repoblika, ny Jly Ravalomanana Richard, sady Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, teo aloha. Anjatony maro ireo zana-kazo voavoly teny an-toerana. Nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, nandritra ny fandraisam-pitenenany fa « mirehareha ny tenany amin’ny maha zanak’Ambohimanga Rova azy. Tena faly sy ravo ny foko, tonga eto an-tanindrazana. Teto amin’ity Ambohimanga Rova ity  nisy olona tena natokisan’ny Mpanjaka fahiny. Olona mahitsy fo ary tsy matahotra ny hiady ny olona eto ary tena atokisan’ny Mpanjaka rehetra nifandimby. Hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena, izay Filohan’ny Repoblika tonga teo, dia tsy maintsy naka olona akaiky hiaraka aminy, izay olona avy aty Ambohimanga Rova ». Tsy  niolaka izy nanambara fa ny fisian’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Mpanolotsain’ny Filoham-pirenena ankehitriny, dia manamafy izany, ary atokisana ny zanak’Ambohimanga. Amim-panetren-tena no ilazana, fa andrim-panjakana faharoa ny Antenimierandoholona, dia mbola zanak’Ambohimanga Rova ihany no nofidian’ny Filoham-pirenena. Misy dikany io satria maherifo ny zanak’Ambohimanga, tsy mba mivadibadika izany. « Rehefa namana dia  namana, fa tsy ilay mivadika palitao etsy sy eroa, fa olo-marina sy mahitsy ny zanak’Ambohimanga », hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona.

Hanohy ny ezaka…

Tonga marobe ireo zanak’Ambohimanga nanatanteraka fambolen-kazo.

Niantso ny zanak’Ambohimanga Rova rehetra hitodi-doha hijery ny tanindrazana ny Jeneraly Ravalomanana Richard, nandritra ny fandraisam-pitenenany. « Tsy mino aho hoe olona milaza tia tanindrazana, tia an’i Madagasikara, saingy tsy mahalala akory ny tanindrazana niaviany. Sanatria, aoka re tsy handevina vao ho tonga aty an-tanindrazana. Namoaka olomanga maro Ambohimanga Rova, hatramin’izay ka hatramin’izao. Miantso anareo tanora aho, mba hanohy hatrany, ka hitohy hatrany ny hamoaka olom-banona Ambohimanga Rova. Nisongadina nandritra ny fitenenany, ny fanambarany fa hisy hetsika antsoina hoe « Takalo » ho atao eny an-toerana isan-taona, ny zoma mialoha ny fetim-pirenena, izay hiarahana amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Teto  no  niandohan’ny « Tsena » voalohany teto Madagasikara, ka izay no hanaovana io Takalo io, raha ny fanazavan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Mpanolotsain’ny Filoham-pirenena.

Fermer