Songadim-baovao
Zandarimaria – Etazonia : Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria tao amin'ny Biraony, etsy amin'ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo, omaly hariva tamin'ny 2 ora sy sasany tolakandro Andriamatoa Scott P.Kimpton «Attaché de securité»-n’ny Masoivoho amerikanina. Fanamafisana ny fiaraha-miasan'ny roa tonta no tena vontoatin'ny fihaonana...

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria tao amin’ny Biraony, etsy amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo, omaly hariva tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, Andriamatoa Scott P.Kimpton «Attaché de securité»-n’ny Masoivoho amerikanina. Arahaba sy firariantsoa ary ny fankaherezana ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, amin ‘ny adidy aman’andraikitra vaovao no anton-diany voalohany. Nirariany koa ny hitohizan’ny fiaraha-miasan’ny Masoivoho amerikanina sy ny Zandarimaria amin’ny lafiny fandriam-pahalemana ary vonona izy ny hifanome tanana amin’ny hanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa, izay efa nisy hatrizay. Notsindriany manokana ny fisaorana noho ny fiaraha-miasan’ny Masoivoho sy ny Vondrona manokana « GSIS » ary sitrak’izy ireo ny hampitombo ny traikefa efa nananan’ity farany hatramin’izay. Nifandinihan’ny roa tonta ny hisian’ny fampianarana ny teny anglisy ho an’ny Zandary.

Nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé fa « ny Mpitantana no niova fa ny asa dia mitohy hatrany satria « asa tsara ho an’ny tanindrazana, izay hotsarain’ny vahoaka no hitarafana ny Zandarimaria » hatramin’ny nandraisany ny fitantanana ity Departemanta ministerialy ity ». Ny varavaramben’ny Zandarimarim-pirenena dia mivoha midanadana ho an’ireo rehetra izay vonona hifanome tanana aminy, amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny Firenena ahatanteraka ny veliranon’ny Filoham-pirenena, dia ny « fitoniana sy ny fandriam-pahalemana ». Nisy ny fifanolorana mari-pahatsiarovana nandritra ny fotoana omaly, ho mariky ny fiaraha-miasa akaiky.




