Songadim-baovao
Zandarimaria – Indonezia : Haverina ny fiofanana ao amin’ny « Ecole de guerre » any Djakarta
Nanatanteraka fitsidihina ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard ny Tomponandraikitra voalohany ny raharaham-panjakan'ny masoivoho indonezianina eto Madagasikara, omaly tetsy Betongolo. Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta satria ho averina ny fiofanana ireo manamboninahitra zandary any amin’ny « Ecole de guerre » any Djakarta Indonezia…

Tonga nitsidika ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard, Atoa Benny Yan Pieter Siahaan, Tomponandraikitra voalohany ny raharaham-panjakan’ny Masoivoho indoneziana eto Madagasikara, omaly maraina, tetsy Betongolo. Ankoatra ny fitsidihana am-panajana, nisy dinidinika mikasika ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Firenena Indonezianina sy ny Zandarimariam-pirenena. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa ho haverina indray ny fiofanana ho an’ireo Manamboninahitra malagasy any amin’ny « Ecole de Guerre » any Djakarta, Indonezia. Raha tsiahivina, ny fanofanana farany tany, dia tamin’ny taona 1994, izay narahin’ireo Jeneraly, izay lasa nitazona andraikitra avo eo anivon’ny Zandarimaria taty aoriana, toy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ary ny Talen’ny kabinetra. Nohamafisin’ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny maha zava-dehibe ny andraikitra sahanin’ny Zandarimaria, izay kitro ifaharan’ny fampanjakana ny « tany tan-dalàna » sy ny fitoniana eto amin’ny Firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fitarihana ny « Etat-Major Mixte Opérationnel » na ny “EMMO », amin’ny asa filaminam-bahoaka.

Notanisainy koa ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny asa fiarovana ny tanindrazana na ny « Défense Opérationnelle du Territoire » na ny (DOT). Eo koa ny fanatsarana ny paikady amin’ny fandriampahalemana sy fiarovana anatiny. Araka izany, hohamafisina manokana ny fiaraha-miasa momba ny fiarovana ireo teratany indonezianina miasa sy monina eto amin’ny Nosy ary ireo fihariana ara-toekarena, izay sahanin’izy ireo. Tsiahivina fa ny Indonezia, izay manana fifandraisana ara-tantara sy ara-piaviana, raha miohatra amin’i Madagasikara. Taorian’ny fihaonana ara-pomba fanajana dia nisy ny fifanolorana mari-pahatsiarovana teo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Tomponandraikitra voalohany ny raharaham-panjakan’ny Masoivoho Indonezianina eto Madagasikara.




