Songadim-baovao

Zandarimariam-pirenena : Nanolotra fitaovam-piadiana ho an’ny Filaminam-bahoaka sy ny Fitsarana

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, ny fifanaovan-tsonia amin’ny fanolorana fitaovam-piadiana ho an’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Tanjona ny hisian’ny fifanampiana ho an’ny telo tonta, indrindra ny fanamafisana ny fandriampahalemana maharitra eto amin’ny Firenena…

Nisy ny fifanaovan-tsonia notanterahin’ny telo tonta.

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fitsarana ary ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, momba ny fanomezana fitaovam-piadiana miaraka amin’ny bala. Nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard fa tazonina tsiambaratelo ny isan’ireo fitaovam-piadiana natolotra ho an’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. « Fanjakana iray isika, ka misy ny fampiasana ny fitaovana rehetra. Koa raha misy fitaovana aty amin’ny Zandarimaria, ka azo anampiana ny namana, dia omenay izany. Niaraha-nahita ny zava-nanjo ireo mpiandry fonja, farany teo ireny satria tsy ampy ny fitaovam-piadian’izy ireo. Toa izany koa ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, izay nitombo ny isan’izy ireo, nefa ny fitaovam-piadiana koa tsy ampy. Koa izay kely ananana no ifampizarana », hoy ny fanazavan’ny Seg.

Nasongadiny, fa mbola hanome fitaovam-piadiana ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ireo aloha no natolotra noho ny hamehana, amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana. Antony  nanomezana izao fitaovana izao, dia endrika hita maso fa iray fo sy saina ny mpitandro filaminana rehetra. Tafiditra ao ny fampiharana ny lalàna, dia ny minisiteran’ny Fitsarana, ary ny eo anivon’ny Zandarimaria sy ny polisim-pirenena no miandraikitra izany. Irariana, araka izany, ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpiara-miombona antoka amin’ny fandriampahalemana, mba hiadanan’ny vahoaka, isian’ny tany tan-dalàna eto amin’ny Firenena. Antoka iray ahafahana miaro ny andrim-panjakana sy ain’ny vahoaka sy ny fananany izany,  araka ny fanazavan’ny Seg, Jly Ravalomanana Richard.

Mampiseho fiaraha-miasa…

Mbola vonona hanome fitaovam-piadiana ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Nanolotra ny teny fisaorana ny Zandarimariam-pirenena ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de Police, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, ary nilaza izy fa mpirahalahy mianala eo amin’ny fampandriana fahalemana ny roa tonta. « Porofo mivaingana izao miseho izao, tamin’ny alalan’ny baiko nataon’ny Filoham-pirenena amin’ny filazana ny fahefam-panjakana, izay porofo endrika hita maso. Maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy ny fampizarana traikefa ary ny fampitaovana toa izao ny avy amin’ny Filaminam-bahoaka », hoy izy nanantitrantitra. Fifaliana lehibe ho an’ny minisiteran’ny Fitsarana, indrindra ny fandraharahana ny fonja, ny fandraisana ireo fitaovam-piadiana ireo, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard. « Raha nilaza ianareo teo fa mpirahalahy mianala isika, dia izaho kosa milaza fa tanan-kavia sy havanana isika ka izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, ka izay tsy mahalen-kialofana. Ara-bakiteny izy izao, satria didin’ny lalàna hiara-hiaina isika satria iray vatsy, iray aina. Mampiseho izao fa tena tsara ny fiaraha-miasa amin’ny fitandroana ny filaminana eo amin’ny telo tonta, indrindra ny fiarovana ny vahoaka sy ny ainy.  Baikon’ny Filoham-pirenena izany », hoy izy. Manao antso avo amin’ny vahoaka koa ny minisitry ny Fitsarana, ny mba hananana fihavanana tahaka ny nataon’ny minisitera telo tonta, mba hanana fifanajana, indrindra ny fanajana ny lalàna. « Tsy ekena velively ny fihetsika hafahafa, mampiseho tsy famatorana, mitarika fikomiana. Mampitandrina ireo olona minia manao izany, amin’ny mpitandro filaminana fa tsy hanaiky velively ny toe-javatra toa ireny ny minisiteran’ny Fitsarana », hoy izy hentitra.

Fermer