
Songadim-baovao
Zandarimariam-pirenena : Tontosa tamim-pirahalahiana ny famindram-pitantanana teo amin’ny Seg roa tonta
Tsy niandry ela fa notontosaina omaly maraina, tao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Philibert ao Betongolo ny famindram-pitantanana teo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao, ny Jly Gellé Serge sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena nisahana izany andraikitra izany teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard. Nohamafisin’ny Seg vaovao fa hohamafisina sy tohizina ireo paikady efa tsara tamin'ny fitantanana ny Zandarimaria ary atao mifanindran-dalana amin'ny fivoarana ireo. Fanadihadiana…
Raha vao afakomaly ny fanendrena ireo mpikambana vaovao, izay mandrafitra ny Governemanta malagasy, efa niroso tamin’ny asa avy hatrany ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Vita tamim-pirahalahiana omaly, tamin’ny 10 ora maraina tao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Philibert ao Betongolo ny famindram-pitantanana teo amin’ny Jeneraly Gellé Serge, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) vaovao sy ny Seg teo aloha, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, izay nitana izany andraikitra izany teo aloha. Taorian’ny fisafoana ireo andian-tafika nanome voninahitra ny lanonana, roso avy hatrany, tamin’ny fanaovan-tsonia ny fitanana an-tsoratra ny roa tonta ary narahin’ny fifandimbiasam-pitenenana. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria teo aloha no nisaorany ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina, izay nametraka ny fitokisana taminy teo am-panatanterahana ny asany nandritra ny roa taona sy tapany, na dia maro aza ireo fanenjehana maro isan-karazany.
Nisaorany koa ny Filoham-pirenena nanome mari-pankasitrahana azy sy ireo zandary nanao ezaka ka nahazoana vokatra tsara. « Mbola porofo mitohoka amin’ny tenda izany fa matoky hatrany ny Zandarimaria izy, na dia misy aza ireo mikendry ny fanafoanana ny Zandarimariam-pirenena », hoy izy hentitra. Nankasitrahany koa ireo antanan-tohatra niara-nifandrimbona taminy ka nahafahany nanaraka ny toromarika ara-politika natolotry ny Filoham-pirenena. Nantitranteriny fa tsy hijabaka na hanelingelina ny asan’ny SEG vaovao sy ny tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Zandarimaria ny tenany fa sitrany dia sitrany raha hitohy ireo ezaka, izay efa natao ho fanatsarana ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Anisan’izany ny fiarovana ny Andrim-panjakana, ny olona sy ny fananany, ary ny fiahiana koa ireo kambotin’ny Zandarimaria ao Arivonimamo.
Miasa anaty fahitsiana ny Seg vaovao…
Nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao, ny Jly Gellé Serge fa « sarotra fa azo atao tsara ny fandimbiasana ny Seg teo aloha, ary hatao anatin’ny fahavononana izany ». Nasongadiny fa asa tsara hotsarain’ny vahoaka no hanaporofoana sy hanamafisana ny filàna sy ny fijoroan’ny Zandarimariam-pirenena eto amin’ny tany sy ny Firenena. Nandritra ny famaliana ny fanontanian’ny mpanao gazety no nanambarany fa hohamafisina sy tohizina ireo paikady efa tsara tamin’ny fitantanana ny Zandarimaria ary atao mifanindran-dalana amin’ny fivoarana ireo, izay mbola tokony hoharenina. Marihina moa fa ny Jeneraly Gellé Serge Sekreteram-panajakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ankehitriny, ankoatra ireo mari-pahaizana maro ananany. Manana ny « Diplôme de l’Université de droit et de Science Criminelle” tao amin’ny “Université de Paris XI ème”. “Diplôme d’Etat-major de la Gendarmerie » tao amin’ny « Centre d’Enseignement Supérieur, France »; « Diplôme de l’Ecole de Guerre » tao amin’ny « Ecole Supérieure Internationale de Guerre, Kameronina ». Ny taona 2019 izy no nahazo ny laharam-boninahitra « Général de division » ary efa nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena toy ny Kaomandin’ny Sekolin’ny Zandarmaria nasionaly (EGNA) Ambositra. Efa Kaomandin’ny Fari-piadidiana ny Zandarimaria (CIRGN) Fianarantsoa sy Toamasina koa ny tenany. Andraikitra notazoniny mialoha ny maha Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena azy, dia Lehiben’ny Etamajaoro teo anivon’ny Foibe fibaikoana ny Zandarimaria (CEM) tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy, izao voatendry amin’ny andraikitra vaovao izao. Anisan’ny mampiavaka azy, dia ny fomba fiasa feno fahitsiana ka manaja ny fitsipi-pifehezana ary tia mampianatra. Manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra maro no efa nobeaziny sy nampianariny nandritra ny 34 taona izay. Anisan’ny olona miavaka amin’ny fitaizam-batana toy ny baolina kitra sy hazakazaka ary miaina isan’andro ao anatin’ny fanatanjahantena. Teo am-pamaranana ny lanonana famindram-pitantanana, nisy ny fifanolorana mari-pahatsiarovana ho porofon’ny firahalahiana tsy ho ravan’ireo izay olon-dratsy mitetika ny hanafoana ny Zandarimaria.
Notronin’ny andiany faha-17
Tonga nanotrona ny fampindram-pahefana ity, ny Jeneraly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Sekretariam-panjakana sy ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena sy ireo Manamboninahitra jeneraly avy ao amin’ny andiany faha-17 tao amin ‘ny Akademia miaramila Antsirabe izay andiany niara-nihira tamin’ny SEG vaovao. Heverina, araka izany, fa na dia sarotra aza ny asa miandry ny Seg vaovao, dia ambentin-teniny matetika ny hoe : « Lehilahy izay mahafaka ny tampoka », fa tsy hoe : « ny tampoka tsy maha lehilahy ».



