PolitikaSongadim-baovao
ZARIDAINAN’AMBOHIJATOVO: “Hajariana, tsy handraisana hetsika intsony”, hoy ny Ben’ny tanàna
Efa ho 15 andro izay no nanomboka ny asa fanajariana ny zaridainan’Ambohijatovo, izay hatao “Parc botanique”. Tsy afaka mandray hetsika intsony, noho izany, ity toerana ity, raha ny fanambaran’ny Ben’ny tanàna omaly. Efa mazava, araka izany, fa tsy ho afaka hiditra ao Ambohijatovo mihitsy ireo Depiote Tim mikasa hamory vahoaka ny sabotsy ho avy izao, fa ny hanao amboletra sy hampisy korontana eto amin’ny renivohitra fotsiny ihany no tanjona.
Tafiditra tao anatin’ny Veliranon’Iarivo, izay nifidianan’ny vahoakan’Antananarivo, ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina, ny tetikasa famadihana ny zaridainan’Ambohijatovo ho “Parc botanique”. Nanambara ny Ben’ny tanàna, omaly, fa efa tontosa tamin’ny septambra 2020 ireo dingana rehetra ara-taratasy sy ara-panjakana (PPM) mahakasika ny tetikasa. Tamin’ny desambra no nivaly izany ary tamin’ny 7 janoary teo no nahafantatra ireo orinasa hanao ny asa. “Ary mahafaly ny mampahafantatra antsika mponin’Antananarivo ankehitriny fa efa 15 andro izay no nanomboka ny asa”, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina.
Tsy afaka handray hetsika hafa intsony
Noho izany, efa nolazaina ary mbola nohamafisin’ny tomponandraikitra fa taorian’ny fandraisana ireo mpiantsehatra amin’ny kilalaon’ny ankizy nandritra ny faran’ny taona, dia tsy afaka handray hetsika hafa intsony ny zaridainan’Ambohijatovo. “Miezaka isika manatanteraka ireo asa, ho fampandrosoana ny Tanànantsika sy ho an’ny mahasoa ny mponina”, hoy hatrany ny ben’ny tanàna. Raha tsiahivina, isany vinan’ny ben’ny tanàna ho fanatsarana ny tanàna sy ho famerenana ny hasin’Antananarivo ity tetikasa ity.
Handray andraikitra ny mpitandro filaminana
« Tsy maintsy handray andraikitra izahay » hoy ny Kaomandin’ny CIRGN Antananarivo, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, amin’izay mety ho trangana fandikan-dalàna amin’io sabotsy ho avy izao io. Nohamafisiny fa ny mpitandro filaminana eto amin’ny Faritanin’Antananarivo, indrindra ny eto amin’ny EMMOREG Analamanga, dia tsy maintsy mandray andraikitra hatrany amin’izay zavatra rehetra mitranga, mikasika ny fandikan-dalàna, na famoriana olona, na fanakorontanana isan-karazany. Izy izay nanentana ny olona ho tony amin’ireo karazana antso fidinana andalambe ataon’ny Solombavambahoaka mpanohitra.
Tetsy ankilany, isany naharenesana fanehoan-kevitra ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena avy eto Antananarivo, ny Solombavambahoaka Rasolonjatovo Honoré omaly, izay nanambara fa tsy mila fidinana an-dalambe ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka fa tokony ho vita amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Efa lalana hafa no tanjon’ny depiote mpanohitra, hoy izy. Tsy fotoana tsara hanaovana tatitra izao. Niantso ny Fanjakana hanadihady tsara amin’izay tian’ny mpanohitra hahatongavana ity Solombavambahoaka ity. Tsy tsara ny fanararaotana ny fahasahiranam-bahoaka, hoy hatrany izy.
Hivory ny OMC rahampitso
Tsara marihana fa hisy ny fivorian’ny OMC rahampitso Alakamisy mahakasika io hetsika io. Andrasana, araka izany, izay fanapahan-kevitra ho raisin’ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana eto andrenivohitra. Raha tsiahivina, andro vitsivitsy lasa izay no efa nanambara ny Prefen’Antananarivo fa tsy mbola azo atao mihitsy ny manao hetsika politika eto Antananarivo ankehitriny mba hitandroana ny filaminam-bahoaka.
Ny Fanoratana.




