Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA : Lasibatry ny fiparitahan’ny « Rôrô » ny tanora eto an-drenivohitra
Loza mitatao ho an’ny Tanora malagasy, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika “Héroine” na ilay antsoina amin’ny fiteny mahazatra hoe “Rôrô”. Tsy vitsy ireo efa tafalatsaka sy miankindoha amin’ny fitsindronana ity zava-mahadomelina ity ankehitriny.
Tranga nahoraka tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy Facebook tato anatin’ny andro vitsivitsy ny fisiana tanora maro lasibatry ny fiankinandoha amin’ny fandraisana “Héroine”, na “Rôrô”. Ity farany izay zava-mahadomelina mahery vaika, atsindrona eo amin’ny sandry. Maro ireo fijoroana vavolombelona sy fitarainana miparitaka manerana ny Tambazotran-tserasera mahakasika an’ity loza mitatao amin’ny ankizy sy ny tanora ity.
Araka ny fantatra, miainga amin’ireo fijoroana vavolombelona, dia manomboka amin’ny fitarihan’ny namana sy ny handrakandrana no fiatombohan’ny fandraisana ny “Rôrô”. Rehefa tafiditra ao anatin’izany anefa, dia lasa mitady ilay zava-mahadomelina foana ny vatana, ary lasa misy ny fiankinandoha tanteraka. Raha toa ka tsy mitsindrona “Rôrô” ny tanora iray efa miankindoha aminy, dia lasa manao krizy, na tsy mahatsiaro tena, na malemy sy verivery saina, araka ny fantatra hatrany. Ny fanadihadiana ihany anefa no nahalalana fa lafo vidy ity karazana zava-mahadomelina ity. Mahatratra analiny mihitsy izany, araka ny angom-baovao hatrany. Vokany, lasa mitarika ny tanora hanaonao foana sy angalatra ny fiankinandoha amin’ny “Rôrô”, izay loza mitatao tanteraka ho an’ny fiarahamonina.
Tomponandraikitra…?
Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay tena ao ambadik’ity fiparitahana zava-mahadomelina mahery vaika ity eto Madagasikara, indrindra eto an-drenivohitra. Mbola tsy nahazoana fanampim-baovao ihany koa ny teo anivon’ny Polisim-pirenena raha nanontaniana mahakasika fiparitahan’ny “Rôrô” sy ny fepetra efa raisin’izy ireo. Ny loharanom-baovao hafa kosa no nahafantarana fa misy tambazotra mpampiditra an-tsokosoko ity “heroine” ity eto Madagasikara. Manamarina izany rahateo, raha tsiahivina, ny mpandeha iray, teratany Camerounais, avy amin’ny sidina ET 837 an’ny Ethiopian Airlines nigadona tao amin’ny Seranam-piaramanidina Nosy Be ny 04 Febroary tamin’ity taona ity, izay tra-tehaky ny Mpiasan’ny Faditseranana Malagasy niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery Vaika nilanja 5kg. Araka ny tatitra dia heroine ny 2,250kg amin’io, 2,350kg kosa no amphetamine ary 1kg ny methamphetamine. Nisitrik’ity teratany vahiny ity tany anatin’ny entany, izay nahitana kojakojana fiara ireo zava-mahadomelina ireo, araka ny fanampim-panazavana. Nilaza ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny Faditseranana any Nosy Be fa niainga tany Douala any Cameroun ity mpandeha ity, ary nandalo tao Addis-Abeba nialohan’ny nahatongavana tao Nosy Be. Eo am-piandrasana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, nosamborina ilay teratany vahiny, ary nogiazana ireo zava-mahadomelina tratra tany aminy.



