KolontsainaSongadim-baovao
ZAVAKANTO SY ASA FANAOVAN-GAZETY: Notokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Fianarantsoa
Mitohy hatrany ny fahatanterahan’ny Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina, indrindra eo amin’ny sehatry ny serasera sy ny Kolontsaina. Notokanana omaly indray ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina fahefatra napetraky ny Fitondram-panjakana ankehitriny, izay mijoro ao Fianarantsoa. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
« Sokela Hanigna ». Io no anarana nomena ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Fianarantsoa izay notokanan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo omaly. Ity, araka izany, no Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina fahefatra notokanana amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina hapetraka isaky ny renivohi-paritra rehetra. Tsy miova fa mitovy avokoa ny firafitry ny tao-trano sy ireo endrika hanehoana ny fanomezan-danja ny Serasera sy ny Kolontsaina ao anatin’ity fotodrafitrasa ity. Araka ny fanazavana nomen’ny Minisitra tomponandraikitra, ahitana efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerena horonan-tsary (auditorium) mahazaka olona 550 mipetraka ity fotodrafitrasa vaovao ity. « Auditorium HORIJA» no anarana nomena io efitrano lehibe io noho ny lanjan’izany atao hoe Horija izany eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Ankoatra izay, misy ihany koa ny efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra (salle d’exposition). Hisy koa toeram-pamakiam-boky (bibliothèque) izay rantsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara. Raha ny fanampim-panazavana hatrany dia hisy boky manokana hahaliana ny tanora ao amin’ny Faritra Fianarantsoa ao amin’ity tranomboky ity. Efitrano fanaovana informatique (salle informatique) ho an’ny mpanao gazety, ahahafahana mikaroka vaovao sy mampitombo fahalalana, efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka, efitrano ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety, ireo no mbola hita ao amin’ity fotodrafitrasa vaovao ity.
Fanamafisam-peo feno
Ankoatra izay, toy ny tany amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra, dia notolorana fanamafisam-peo sy zava-maneno feno ny « Auditorium HORIJA» izay fanomezana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Etsy ankilany, hisitraka « Kits professionnels de Visioconférence complet » avy amin’ny UNESCO avokoa ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra, ka ny ao Fianarantsoa no hisantarana ny fametrahana izany. Ahafahana manatrika fiofanana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovao ampirain-davitra. Nifanindran-dalana tamin’ity lanonana fitokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly ity ihany koa ny fizarana mari-boninahitry ny Kanto, ny Soratra sy ny Kolontsaina. Mpanakanto 5 no nahazo ny Commandeurs, 2 Officiers, 29 no nomena ny Chevalier.
Nanatrika ity lanonana ofisialy tao Fianarantsoa ity ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, notarihin’ny Governoran’ny Faritra, ny Prefet an’i Fianarantsoa, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny tanàna ary ireo tompon’andraikitra amin’ny sampan-draharaham-panjakana samihafa. Nandritra ny kabariny kosa dia nanafatra Ramatoa Minisitra ny hikolokoloana itony fotodrafitrasa vaovao izay fananana iombonantsika itony.




