KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ZAVAKANTO : Tokony hanaja hatrany ny Soatoavina malagasy ny hira
Nitondra fanazavana mahakasika ireo hira roa namoahan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina taratasy fampitandremana, omaly , ireo tompon’andraikitra voakasika amin’izany mivantana, dia ny Tale Jeneralin’ny Serasera mpisolo toerana sy ny tale jeneralin’ny Kolontsaina. Nambaran’izy ireo fa tokony hipetraka ho mpanabe ihany koa ny mpanakanto fa tsy anindrahindra indray ny resaka mamoafady.
Tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia nisy taratasy fampitandremana roa navoakan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny fandrindrana ny Haino Vaky Jery. Taratasy izay nitaky tamin’ireo mpamokatra ireo raki-tsary roa samihafa ireo, ny amin’ny tokony hanesorana ny hira novokarin’izy ireo tsirairay avy, amin’ny « plateforme publique » na sehatra hitan’ny besinimaro, toy ny Facebook sy ny Youtube. Nambara tao anatin’ny taratasy fa manohitohina ny Soatoavina sy ny « bonne mœurs », ireo raki-tsary roa ireo. Notsiahivin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraly vonjimaika misahana ny Serasera, Rakotondrasoava Fetra, fa efa ny lalàna vaovao laharana 2020-006, tamin’ny 01 Septambra 2020, mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery, izao no manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena. Ity lalàna ity izay manitsy andininy maromaro tao amin’ny lalàna 2016-029. Io lalàna manan-kery amin’izao fotoana izao io no mamaritra fa ny fahalalahana dia tokony hiainana ao anaty fanajana feno ny lalàna , sy ny tsy fanohitohinana ny Soatoavina malagasy. Io lalàna io ihany koa dia mamaritra ao amin’ny andininy faha-26 fa ny fampiasana ny Haino Vaky Jery dia tsy tokony hitondra mihitsy fanohitohinana ny firindran’ny fiarahamonina ary manoritra ireo sazy mety mifandraika amin’izany. Ny fepetra izay noraisin’ny minisitera, noho izany, dia fampahatsiahivana ho amin’ny fandraisan’andraikitry ny mpanakanto amin’ny fifanabeazana, mba tsy hihoatra ny mamoafady amin’ny famoronana ny kanto.
Tononkira sy sary mivantana
Notsiandrian’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Razafiarison Francis, fa ny fady amintsika dia ireo izay manohitohina ny firindran’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Tsy voatery ho fadina tany izany, na ho fadina toerana, na ho fady amina fomba amam-panao, mety ho fady amina teny sy fihetsika ary amina sary izay atao koa. Ka rehefa miseho, noho izany, ny karazana raki-tsary, toy ireo izay namoahana taratasy fampitandremana tamin’ny herinandro teo, dia tafiditra ao anatin’ireo sokajy mamoafady. Tsara marihana fa ilay hira voalaza fa mamoafady ihany no nasaina nesorin’ireo mpanakanto tamin’ny Facebook sy ny Youtube, fa tsy ny hiran’izy ireo rehetra akory. Niaiky ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, fa misy tokoa hira izay arakaraky ny fieritreretan’ny tsirairay azy no mety hiheverana fa resaka vetaveta na tsia kanefa miresaka voninkazo ohatra (métaphorique). Ny nandraisana fepetra dia ny hira mivantana na sary mivantana tsy mila fieritreretana fa avy hatrany dia tazana sy re fa mamoafady. Ny ohatra noraisiny dia ny hoe raha ilay hira miresaka voninkazo no henon’ny ankizy dia resaka voninkazo fotsiny no henony ao, raha ilay hira nandraisana fepetra no henon’ny ankizy dia avy dia fantany fa mahakasika ny fady ilay hira.




