Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ZAVAMANIRY AROVANA : « Baobab nain » 882 fototra sarona tao anaty taksiborosy
Nisy fiara avy any atsimo mitondra ireny hazo antsoina hoe « baobab nain » ireny, izay efa nahazoan’ny zandary loharanom-baovao, ny alatsinainy lasa teo. Napetraka, araka izany, ny velapandrika sy ny fisavana. Vokany, tra-tehaka ny afakomaly lasa teo, tao amin’ny sakana Vinaninkarena, lalam-pirenena fahafito, teboka kilometrika 176+200 no voasakana ny fiara taksiborosy mpitatitra olona. Rehefa nosavaina ny teny ambony fitoeran’entana, dia tratra tao ny gony miisa 15 nahitana ireo zavamaniry arovana ireo, izay nahitana ny « Operculicarya pachypus » miisa 207. Ny « Pachypodium gracilus » miisa 486 ary ny « Senna meridionalis » nahatratra 189. Ny totalin’ireo, dia miisa 882 fototra.
Nanontaniana ny mpamily raha manana taratasy mikasika ireo zavamaniry arovana ireo, dia nilaza izy fa tsy misy eo am-pelatanany. Nilaza izy fa « Commission » nampitondrain’olona izy ireo, ho entina aty Antananarivo. Fiara mpitatitra olona taksiborosy misahana ny Zotra Nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, io nitondra ireo zavamaniry arovana ireo. Ny mpamily dia mipetraka ao Toliara, raha mipetraka ao Ambohitrarahaba kosa ny tompon’ny fiara nitondra ireto zavamaniry arovana ireto. Misokatra ny fanadihadiana ka ireo ekipa avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Sampandraharaham-paritra momba ny tontolo iainana ao Vakinankaratra no manao ny fanadihadiana. Raha nalaza tao ho ao ny resaka sokatra, dia nivadika any amin’ny zavamaniry arovana indray ireo mikendry hanondrana an-tsokosoko azy ity.
Rado Harivelo.



