Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ZAZA 08 VOLANA SAIKA HAONDRANA ANY GABON : Sarona ilay vehivavy nokaramaina 03 Tapitrisa Ar, sy ny namany 07 hafa

Ravan’ny Polisim-pirenena misahan-draharaha momba ny sisin-tany miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny tambazotran-jiolahy iray mpamarina olombelona mankany Afrika. Vehivavy iray 26 taona, nitondra zazavavikely 08 volana nokasaina haondrana an-tsokosoko any Gabon, no tra-tehaka voalohany tamin’ity tambazotra goavana mpanondrana olombelona ity. Io vehivavy io, izay efa nikasa handray ny sidina “Ethiopians Airlines” ho any an-toerana itondra ilay zaza, no izao tratran’ny tsy nampoiziny izao. Raha ny fandehan’ny tranga, dia nisandoka ho renin’ilay zaza io vehivavy nitondra azy io, kanefa, rehefa nataon’ny mpitandro filaminana voalaza ny fanadihadiana lalina dia tsy azy velively ilay zaza, raha fantatra fa navoaka avy tamina toeram-pitaizana zaza kamboty iray (Centre d’Orphelinat) eto Antananarivo. Raha ny fandehan’ny zava-misy mialohan’ny hiaingana eny amin’ny seranam-piaramanidina moa, dia tsy maintsy mandalo fanadihadiana tsotsotra avokoa ny Malagasy maniry handray sidina mankany ivelany ireny, na eo aza ny fiezahana hanarona ny marina, toy ny nataon’ity vehivavy izay nafaton’ny lainga nataony ity. Teo am-panadihadiana azy ihany, dia namboraka ny marina mikasiak izao zava-misy izao ilay vehivavy. Nambarany, fa nokaramaina lelavola mitentina 03 tapitrisa Ariary ny tenany, mba hitondra io zaza io any Gabon. Avy any amin’ny faritra izy io no nampiantranoina teto an-dRenivohitra mba hanomana izao asa ratsy nasaina nataony izao. Niray tsikombakomba tamina tompon’andraikitra iray tamina Kaominina Ambanivohitra iray izy ireo, mba hahazoana kopia nahaterahan’io zaza io. Amin’ny maha tambazotra azy, dia maro ny olona tafiditra sy voasaringotra anatin’ity raharaha ity. Ao anatin’izany ny mpanao taratasy hosoka, ny mpikaroka zaza, ny mpampiantrano ireo vehivavy misandoka ho renin’ilay zaza, ary ny mpitondra ilay zaza mivoaka an’i Madagasikara. Fantatra ihany koa, fa efa mpiray tsikombakomba amin’ity tambazotra ity io toeram-pitaizana zaza kamboty iray eto io. Miisa 08 izy ireo no efa voasambotra, raha mbola misy no karohina fatratra momba izao raharaha izao. Marihina, fa melohin’ny lalàna faha-2014-040 ny 16 Desambra 2014 mikasika ny ady amin’ny famarinana olombelona ny tranga toy itony.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer