Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ZAZAVAVIKELY NANAOVANA OMBAY MITADY: Nisy namono noho ny valifaty, hita faty tao anaty “dalle”
Miha mahazo vahana ny habibiana atao amin-jaza! Vao tsy ela akory izay no nisiana tovovavy kely 15 taona hita faty tao an-tranony, teny 67Ha, dia izao indray, zazavavikely antsoina hoe “Raissa”, 08 taona no hita faty tao anaty “dalle” feno maloto, teny amin’ny manodidina ny tranony, teny Antohomadinika IVO, omaly alahady 11 Mey, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Tsy hita io zaza io, raha ny fantatra, ary nanaovana ombay mitady naparitaka tao an-tambazotran-tserasera “facebook”, ny sabotsy 10 Mey lasa teo. Very hevitra ny fianakaviana tamin’ny fotoana tsy nahitana azy. Tampoka anefa, ny andron’ny omaly dia nisy taratasy teo amin’ny varavarakan-kelin’izy ireo. Ankizy no sendray nahita azy io, ary voalaza tao ny hoe “eo ampita ao anatin’ny “dalle” feno maloto no misy an’i Raissa”. Nikoropaka ny fianakaviana, nampandre ny manam-pahefana rehetra teny an-toerana, izay nahitana ny mpitandro filaminana nijery izay voalazan’ny taratasy. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, dia hita tao tokoa ilay zazavavikely, efa tsy nisy aina intsony, ary hita niboridana tanteraka, raha ny filazan’ny fianakaviana. Heverin’ireo akaiky ity zaza ity, araka izany, fa ireo nahavanon-doza naka an-keriny sy namono an’i Raissa ao ambadik’izao zava-misy sy voalaza an-taratasy izao. Mbola nisy fanampiny moa ny voasoratra tao nilaza hoe “vita izay ny valifaty fa mbola misy roa hovonoinay…”. Ankona tanteraka ny amin’izao toe-java-misy izao ny fianakaviana, saingy efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha mampahonena sy mahavaky fo ny maro ity. Mbola andrasan’ny mpanara-baovao maro ihany koa ny mikasika ny fanadihadiana momba ilay zanaky ny mpanakanto Fandrama hita faty, teny 67Ha iny, raha voalaza fa efa misy olona noahiahiana tamin’io raharaha io.
Nangonin’i S.R




